πππππππππ πππ ππππππππππ : ππππππ πππππ ππ π πππππππππππππππ πππ ππ ππππ π ππππππ ππ ππππππ π πππππππ ππππππβππππ πππππππππ π πππππππππ – ππππ ππ πππ ππππ ππ πππππππ
Β Β Nidina tao aminβny kaominina Marotsipoy Anjozorobe ireo lehiben’ny Tafika mitambatra mivondrona ao aminβny βEMMONATβ, nanome toromarika ireo mpitandro filaminana eny an-kianjaβ mba hitadiavam-bahaolana manoloana ny tranga mahatsiravina niseho tany an-toerana.
Β Β Raha tsiahivina ny tantara dia nalaina an-keriny ny 04 Aogositra 2024 teo izy dimy lahy. Natao takalonβainaβ nitaky 200 000 000 Ar ireo jiolahy ho tambinβny famotsorana azy 05 lahy, saingy raha ny fanazavana dia tsy nanana io vola io ny fianakaviana.
Β Β Herinandro maromaro izy 05 lahy teo ampelatananβny dahalo mpaka an-kerinyβ ny 29 Aogositra 2024 teoβ niantso ny fianakaviana izay tsy nahita io vola notakina io ireo dahalo mba haka ny vata-mangatsikanβireo 05 lahyβ izay voalaza fa nofatorana am-bodihazo izy ireo ary notifirina mba ho faty avy eo.
Β Β Tranga mahavaky foβ mampivarahontsana ity niseho ityβ mpampianatra FRAM ary misy Tanora vao 17taona monjaβ afaka bakalorea taminβity taona ity ireo maty natao takalonβaina ireo.
Β Β Mihorohoro araka izany ny vahoaka aminβny faritra 03 mpifanila bodirindrina (Analamanga-Betsiboka-Alaotra Mangoro). Tranga tahaka izao no ilana ny traikefa sy fahaiza-manaonβireo mpitandro filaminana fa arahintsika eto ny mety ho tohiny.