a
FandraisanaVaovaom-paritra𝐃𝐫 π€ππƒπ‘πˆπŒππˆπ‘π„ππ„ππ€ 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄 : π“π’π˜ π…π€πŒπ„ππŽπ€ππ€ 𝐍𝐘 π…πŽππ‰π€ 𝐍𝐎 𝐙𝐀𝐕𝐀-πƒπ„π‡πˆππ„ 𝐅𝐀 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ‡π€π‘π€ππ€ 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋À𝐍𝐀 π€πŒπˆπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐉𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π™πŽπβ€™ππ˜ π“π’πˆπ‘π€πˆπ‘π€π˜

𝐃𝐫 π€ππƒπ‘πˆπŒππˆπ‘π„ππ„ππ€ 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄 : π“π’π˜ π…π€πŒπ„ππŽπ€ππ€ 𝐍𝐘 π…πŽππ‰π€ 𝐍𝐎 𝐙𝐀𝐕𝐀-πƒπ„π‡πˆππ„ 𝐅𝐀 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ‡π€π‘π€ππ€ 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋À𝐍𝐀 π€πŒπˆπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐉𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π™πŽπβ€™ππ˜ π“π’πˆπ‘π€πˆπ‘π€π˜

𝐃𝐫 π€ππƒπ‘πˆπŒππˆπ‘π„ππ„ππ€ 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄 : π“π’π˜ π…π€πŒπ„ππŽπ€ππ€ 𝐍𝐘 π…πŽππ‰π€ 𝐍𝐎 𝐙𝐀𝐕𝐀-πƒπ„π‡πˆππ„ 𝐅𝐀 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ‡π€π‘π€ππ€ 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋À𝐍𝐀 π€πŒπˆπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐉𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π™πŽπβ€™ππ˜ π“π’πˆπ‘π€πˆπ‘π€π˜

Β  Β Lanonana ara-pitsarana manetriketrika no nametrahana an’i Dr Andrimpirenena AndrΓ© ho Tonia mpampanoa lalΓ na ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Mandritsara omaly zoma 05 Jolay 2024.

Β  Β Ny Fampanoavana izay tarihiko dia mametraka fanamby ny hanamafy orina ny tany tan-dalΓ na sy hamerina amin’ny tokony ho izy ny fahefam-panjakana. Iarahantsika mahalala fa manerana an’ny Madagasikara, anisan’izany ny faritra Sofia dia somary marisarisa ny tany tan-dalΓ na satria misy ny sokajin’olona izay mihevitra fa ambonin’ny lalΓ na sy tsy azo kitihina noho ny toerana misy azy. Marisarisa ihany koa ny fahefam-panjakana satria misy olona na andian’olona izay miezaka te-hisalovana an’izany fahefΓ na izany kanefa tsy ao anaty lasitra izay voalazan’ny lalΓ na tokony hanana azy. Voasalovana matetika amin’izany ny asam-pitsarΓ na sy ny asan’ny Mpitandro filaminana. Mateti-pitranga ny andian’olona na fikambanana minia mandika ny fahefana omen’ny lalΓ na azy ka mitsabaka amin’ny fahefana hafa ka mitera-doza ho an’ny zon’olombelona. Misy aza andian’olon-dratsy mitarika fokonolona hanao fitsaram-bahoaka amin’ny olona izay efa voatazona amin’ny Mpitandro filaminana. Ny Fampanoavana izay eo ambany fahefako dia hanao ny ezaka rehetra hialΓ na amin’izany toe-javatra izany ary hanenjika an’ireny olona ireny amin’ny fomba sy paikβ€˜ady ary fotoana maha-mety azy araka ny lalΓ naβ€š hoy Dr Andrimpirenena AndrΓ© – Tonia mpampanoa lalΓ na ao fitsarana ambaratonga voalohany raha nandray fitenenana voalohany taoriany fametrahana azy amin’ny toerany.

Β  Β Tsy ny famenoana ny fonja na ny fanomezana fahafaham-po ny manan-draharaha (mpitory na voampanga na ny mpitazana) no zava-dehibe sy itarafana fa miasa sy mahomby ny fampanoavana fa ny fampiharana ny lalΓ na amin’ny fanajana ny zon’ny tsirairay. Hiezaka hampanaja an’izany zon’olombelona izany ihany koa ny tenanay amin’ny sehatra rehetra azo anatanterahana izany, ary tsy hisalasala handray ny fepetra rehetra voalazan’ny lalΓ na raha misy fanosihosena azy, anisan’izany ireo endrika kolikoly isan-karazany. Farany, hijoro handray anjara amin’ny fampandrosoana ny Fampanoavana amin’ny alalan’ny fandrindrana ny fiaraha-monina sy ny fiezahana hametraka fandriam-pahalemana maharitra mba ho fiarovana ireo sehatr’asa fihariana maro isan-karazany. Hapetraka ny politikam-panenjehana mifanaraka amin’izany ka ho hentitra araka ny fanenjehana ireo olon-dratsy rehetra na iza na iza izay manimba ny fihariana ato amin’ny faritraβ€š hoy izy namarana ny laha-teniny.

Β  Β Mpahay lalΓ na – Dr spΓ©cialiste β€œProtection pΓ©nale des espΓ¨ces en voie de disparition” izyβ€š mitana laharana voalohany ary β€œmajor de promotion” hatrany izy raha ny zavatra tsikaritra nandritra ny famakiana ny β€œCurriculum vitæ” na ny mombamomba azy izay voarakitra an-taratasy.

Β  Β Nanontrona sy nanome voninahitra ity lanonam-pitsarana ity ny Mpanolotsaina ao amin’ny Filan-kevitra ambony miandraikitra ny Mpitsaraβ€š ny Filoha voalohany mpisolo toerana ao amin’ny Fitsarana Ambony Mahajangaβ€š ny Tonia Mpampanoa Ambony ao amin’ny Fitsarana ambony Mahajangaβ€š ny Filohan’ny rantsana ao amin’ny Fitsarana ambony Mahajangaβ€š ireo Lehiben’ny Fitsarana sy Tonia mpampanoa lalΓ naβ€š Mpitsara maro avy ato anaty sy ivelan’ny faritra Sofia; Ny Solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy teto Mandritsara sy Befandrina Avaratraβ€š ny Governoran’ny faritra Sofiaβ€š Lehiben’ny Distrikaβ€š ary ireo manamboninahitraβ€š manampahefana maro…

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment