a
FandraisanaVaovaom-paritra𝐂𝐑 πŒπ€π‘πŽπŒπ€ππƒπˆπ€ – 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀𝐕𝐀 : π™π€π™π€π•π€π•π˜ πŠπ„π‹π˜ πŸŽπŸ– π“π€πŽππ€ π•πŽπ€π‡πŽπ‹π€ππ€ π€π•π˜ π„πŽ ππŽπ•πŽππŽπˆππ€

𝐂𝐑 πŒπ€π‘πŽπŒπ€ππƒπˆπ€ – 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀𝐕𝐀 : π™π€π™π€π•π€π•π˜ πŠπ„π‹π˜ πŸŽπŸ– π“π€πŽππ€ π•πŽπ€π‡πŽπ‹π€ππ€ π€π•π˜ π„πŽ ππŽπ•πŽππŽπˆππ€

𝐂𝐑 πŒπ€π‘πŽπŒπ€ππƒπˆπ€ – 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀𝐕𝐀 : π™π€π™π€π•π€π•π˜ πŠπ„π‹π˜ πŸŽπŸ– π“π€πŽππ€ π•πŽπ€π‡πŽπ‹π€ππ€ π€π•π˜ π„πŽ ππŽπ•πŽππŽπˆππ€

Β  Β Hatramin’ny alahady 01 Septambra 2024 teo no tsy hita sy notadiavina ity Zaza vavy kely vao 08 taona monjaβ€š monina ao Andamoty fokontany Marovato kaominina Maromandia Distrika Analalava ity.

Β  Β Omaly Talata 03 Septambra 2024β€š nilaza rangahy iray vahiny vao tonga tsy ela ao an-tanΓ na fa mahita toerana misy azy fa tsy ambaratelo ary mila manao fombafomba. Nasain-drangahy nividy siraβ€š tantelyβ€š varyβ€š lamba fotsy sy satroka bory mitovy fanaovan’ny olona mandeha mivavaka ireny ny fianakaviana mba homena azyβ€š hoentina mitady ilay zazakely.

Β  Β Β«…Misasakalina ihany izy mivoaka ka tsy mila tara isika maka azy fa ankoatran’izay tsy hita intsony…Β» hoy ity rangahy ity nilaza tamin’ny fianakaviana sy Lehiben’ny fokontany ao an-tanΓ na.

Β  Β Roso ny dia misasakalinaβ€š miankandrefanaβ€š niditra anaty ala honko ny lalan’izy ireo ka vata-mangatsikan’ilay zazakely mihantom-bozonaβ€š efa misy fofona sady maratra voaholana no nivantanin’ny fianakaviana.

Β  Β Rehefa nohadihadiana ity rangahy ity dia nilaza ihany fa izy no nanolana sy namono ity zazakely ity ka niharany hatezeram-bahoaka tao an-tanΓ na ary maty voadaroka.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment