a
FandraisanaVaovaom-paritra𝐂𝐑 π€ππŠπ„π‘πˆπŠπ€ – π€ππ“π’πŽπ‡πˆπ‡π˜ : ππŽπ“πˆπ…πˆπ‘πˆππ€ π€π•π˜ ππŽπƒπŽπ‘π€ππ€ π€ππ€π“π˜ π“π‘π€ππŽ 𝐍𝐘 π€πƒπ‰πŽπˆππ“ 𝐂𝐇𝐄𝐅 π…πŽπŠπŽππ“π€ππ˜ π€ππŠπ„π‘πˆπŠπ€ 𝐒𝐔𝐃

𝐂𝐑 π€ππŠπ„π‘πˆπŠπ€ – π€ππ“π’πŽπ‡πˆπ‡π˜ : ππŽπ“πˆπ…πˆπ‘πˆππ€ π€π•π˜ ππŽπƒπŽπ‘π€ππ€ π€ππ€π“π˜ π“π‘π€ππŽ 𝐍𝐘 π€πƒπ‰πŽπˆππ“ 𝐂𝐇𝐄𝐅 π…πŽπŠπŽππ“π€ππ˜ π€ππŠπ„π‘πˆπŠπ€ 𝐒𝐔𝐃

Β  Β Tokony ho tamin’ny 09 ora alina androany 23 Septambra 2024 no tonga nanafika tranon’ny Adjoint Chef fokontany Ankerika Sud ireo dahalo mirongo basy am-polony.

Β  Β Tsy fantatra mazava izay tena antony fa basy nirefodrefodra no nanaitra ny manodidina ka tsy nisy sahy nivoaka. Maty notifirin’ireo dahalo ny adjoint Chef fokontany avy eo nidorany tao anaty tranoβ€š raha ny fampitam-baovao voaray.

Β  Β Tao anaty trano ity ihany ny vadiny sy ny zanany 02 lahy (08 taona ny zandryβ€š 10 taona ny zoky). Efa lasa ireo dahalo vao afaka nivoaka tao anaty trano niredareda nodoran’ny dahalo io izy 03 mianaka sady namoaka ny vata-mangatsikan’itompokolahy niaraka tamin’ny fokonolona.

Β  Β Efa any an-toerana ny Zandarimaria izay tsy mbola nahazahoam-baovao hatreto.

Β  Β Tsikaritra tatoatoβ€š toa zary ho fahazaran-dratsin’ireo tsy mataho-tody ny mitifitra sy mandoro trano ary efa nahitana izany tranga izany tao amin’ny fokontany Androibe kaominina Ankerika ny Talata 17 Septambra teoβ€š izay namoizana ain’ireo JAMA roalahy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment