πππππππππ : ππππππ ππ πππππππ π ππππππππππ-ππππβ ππππ ππππππ ππππ π π πππππ ππππππππππππππ πππππππ
Β Β Raha atambatra dia miisa 06 ireo dahalo mpampihorohoro vahoaka sy mparin-keloka maty voatifitry Zandary manao hetsika fampandrian-tany ataonβny Zandarimaria ao aminβny vondron-tobim-paritra Antsohihyβ tarihinβny Kapiteny Hery nialoha sy nandritra ary taoriany fetim-pirenena Malagasy 26 Jona 2024.
Β Β Anisanβireo efa lavo taminβizany i DiΓ΄ – LΓ©onard – Legoalahy dahalo mpampihorohoro vahoaka aminβiny Distrika Analalava iny ; Lavo koa i Jaira sy Tilahy efa nikoizana aminβny fanafihana aminβiny kaominina Anahidrano sy Anjiamangirina ary Ankerika iny.
Β Β Ny aliny 12 Jolay 2024 teoβ raikitra ny fifanjevoana taminβny Dahalo tarihinβi Freddy sy ireo ekipany taminβny Fokonolona miaraka aminβny Zandary aminβiny fokontany Ambiky kaominina Ankerika Distrika Antsohihy iny. Nampiasa fitaovam-piadiana ireo dahalo ka nampiasa ny azy koa ny Zandary miaraka aminβny fokonolona ka maty voatifitra i Freddy fa tafaporitsaka kosa ireo namany ary mbola karohina.
Β Β Mitohy hetsika fampandrian-tany ato aminβny Distrikanβi Antsohihy ary tsy maintsy karohina sy atao hazalambo ireo olon-dratsy mpampihorohoro vahoakaβ hoy ny fanazavana voaray avy aminβny Zandarimaria.