πππππππππ : ππππππ ππ πππ π ππππππππππ ππ πππππππ πππππβπ ππππππ ππ ππππβππ πππππππππ ππππππππππ
Β Β Fanaboarana vovon-drano fisotro madioβ sy fanampiana ireo tra-pahasahiranana ao aminβny kaominina Anjalazala Distrikanβi Antsohihy no tena ahafantarana anβi KASSIM. Tovolahy mpandraharaha avy ao aminβny fokontany Andapinarosy.
Omby iray natolony ho sakafonβireo ankizy mpianatra manala fanadinana sy mpampianatra mikarakara fanadinana CEPE tao aminβny kaominina Anjalazala ny alatsinaina 17 Jona 2024 teo.
Β Β Tsapako fa maro ireo mpianatra avy aminβny fokontany lavitra izay manatona foibem-panadinana eto Anjalazalaβ mety sahirana ny raiamandreny aminβny fiatrehana izany ka manolotra izay mba vitako aho satria zava-dehibe ary iankinany ny hoavinβny firenena sy fampandrosoana anβi Madagasikara izanyβ hoy izy nanolotra omby hoanβny fianakaviambenβny fampianarana izay natrehanβny Benβny tanΓ na – Chef ZAP – Talen-tsekolyβ Raiamandreny maro ary mpianatra tao Anjalazala.
Hatretoβ 10 mahery eo ny vovon-drano fisotro madio efa vitany miaraka aminβireo mpiaramiombon’antoka aminy ao Anjalazalaβ izay hitohizana ary kasaina atao manerana ny fokontany. Ankoatran’izay mandray anjara aminβny fanohanana ireo mpianatra Zanaka Anjalazala izy ary efa misy nalefany any ivelany nanohy fianarana.