a
FandraisanaKolontsaina sy Talenta๐€๐๐๐„ ๐Œ๐€๐‘๐ˆ๐„ ๐‹๐Ž๐๐†๐‚๐‡๐€๐Œ๐ – ๐Œ๐ˆ๐’๐’ ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐‚๐€๐‘ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ’ : ๐๐€๐“๐€๐Ž๐โ€™๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€๐Š๐€๐‘๐€ ๐…๐ˆ๐“๐€๐ƒ๐ˆ๐€๐•๐€๐Œ-๐๐Ž๐‹๐€ ๐…๐Ž๐“๐’๐ˆ๐๐˜

๐€๐๐๐„ ๐Œ๐€๐‘๐ˆ๐„ ๐‹๐Ž๐๐†๐‚๐‡๐€๐Œ๐ – ๐Œ๐ˆ๐’๐’ ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐‚๐€๐‘ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ’ : ๐๐€๐“๐€๐Ž๐โ€™๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€๐Š๐€๐‘๐€ ๐…๐ˆ๐“๐€๐ƒ๐ˆ๐€๐•๐€๐Œ-๐๐Ž๐‹๐€ ๐…๐Ž๐“๐’๐ˆ๐๐˜

๐€๐๐๐„ ๐Œ๐€๐‘๐ˆ๐„ ๐‹๐Ž๐๐†๐‚๐‡๐€๐Œ๐ – ๐Œ๐ˆ๐’๐’ ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐‚๐€๐‘ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ’ : ๐๐€๐“๐€๐Ž๐โ€™๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€๐Š๐€๐‘๐€ ๐…๐ˆ๐“๐€๐ƒ๐ˆ๐€๐•๐€๐Œ-๐๐Ž๐‹๐€ ๐…๐Ž๐“๐’๐ˆ๐๐˜

ย  ย Hatraminโ€™izao tsy mbola nisy azo ireo fanomezana na loka nampanantenaina anโ€™i Anne Marie Longchamp Miss รฎle de Madagascar 2024.

ย  ย Vola antsasanโ€™ny saran-dalana no mba azony herintaona taoriany fifaninanaโ€š tsy mandray antso no tsy mamaly โ€œmessageโ€ ireo mpikarakara rehefa anontaniana momba ny saran-dalana sy ireo loka azony aminโ€™ny maha mpandresy azyโ€š nisalotra ny anaram-boninahitra Miss Madagascar 2024โ€š raha ny fanazavana voaray.

ย  ย Nataonโ€™ireo mpikarakara Miss et Mister รŽle de Madagascar ho fitadiavam-bola fotsiny ireo Tanora Malagasy mifaninana aminโ€™io sehatra iray io. Mianton-tena izy ireo mamonjy fifaninana any Antananarivoโ€š asaina mivarotra tapa-kila aminโ€™ny sarany lafo izy ireo ka izay mahalafo betsaka no mana-tombo ankoatrany naoty omeny Mpitsara. Azo eritreretina fa izay manam-bola sy manana fianakaviana mahitahita afaka mividy tapakila maro no hivoaka mpandresy aminโ€™ny fifaninana ataoโ€š hoy mpanakanto iray manana fifandraisana aminโ€™i Anne Marie Longchamp naneho ny heviny sady namaky bantsilana ny fikafika sy fanararaotana ataonโ€™ireo mpikarakara aminโ€™ny fifaninana Miss & Mister รŽle de Madagascar.

ย  ย Nambaranโ€™io mpanakanto io fa nitadiavana hirikaโ€š sy fomba hamotehana azy tsy hivoaka mpandresy i Anne Marie Longchamp fa tsy nahitana hevitra. Betsaka ihany koa ireo mpifanina mitaraina momba io Miss & Mister io fa tsy misy sahy mivoaka ampahibemaso. Hita taratra ary nibaribary nandritra ny fifaninana farany teo iny fa misy zavatra hafahafa sy tsy mazava ny momba io fifaninana io ka tokony handray fepetra mifanaraka aminโ€™izany ny fitondram-panjakanaโ€š hoy hatrany ny fanehoan-kevitra nisesisesy tatoato.

ย  ย Tsy mbola nitondra fanazavana moa ny mpikarakara Miss & Mister รฎle de Madagascar izay nahazo fanakianana mavaivay hatreto ka arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny…

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment