ππππππππππ : ππππ ππππππππππ π ππππππ – ππππππ ππππππππππππππ ππππ ππππππππ-ππππππ
Β Β Dahalo raindahiny aminβny halatrβomby sady mpamerin-kelokaβ mpampihorohoro vahoaka aminβiny efi-tany Andilamenaβ Amparafaravola ary Distrikanβi Mandritsara iny i Randriamalala Philibert dit GADOKO. Fotoana fiakarany vokatra sy fety tahaka izao no manararaotra manao asa ratsiny ireo dahalo. Nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitra-po ny zandary izay manao fisafoana manodidina iny toerana inyβ ny alin’ny 19 hifoha 20 Jona 2024 ka nidina ifotony amin’ny toerana misy fanafihana avy hatrany.
Β Β Mbola teo ampanaovana asa ratsy izy ireo no tonga tampoka ny Zandary tarihin’ny Kapiteny TOBIASYβ komandy ny vondron-tobim-paritra Andilamena ka raikitra ny fifanjevona. Nanano sarotra ny fisamborana, voatery nampiasa fitaovana teny ampelatanany ny zandary. Olona iray no lavo voatifitra ary voamarina fa i Gadoko izany nandritra ny fitsirihana natao azyβ tafaporitsaka ireo namanyβ araka ny fanazavana.
Β Β Mitohy ny fikarohana ireo namanyβ manamafy ny fitandroana ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetim-pirenena ny Zandarimaria. Tsy andeferana ireo mpamerin-keloka sy mpanao asa ratsy fa tsy maintsy faizina mba ahafahan’ny vahoaka miaina am-pilaminana amin’ny vokatra azony sy manao ny velontenany.