ZOKY VONJY : TSY MILA MANAO AHODY VAO MAHATAMANA ANDRIAMBAVILANITRA
Ny fahaizan’ny lehilahy mikarakara vatana ‚ volo ‚ tarehy ‚ nify ‚ hoho ( angofo ) madio miaraka amin’ny ranomanitra mifanaraka tsara amin’ny hoditra ary manaja vehivavy no mahatamana ireo andriambavilanitra ‚ hoy ny fanehoan-kevitra nataon’i Zoky vonjy tao amin’ny pejiny raha fintinina.
Matetika tsy mivakiloha amin’ny fitafy ‚ fahadiovana ‚ fikojakojana nify sy volo ary indrindra tsy manisy hasiny vehivavy ‚ ny tovolahy sasany ka misara-bady matetika ‚ na miantehatra amin’ny fialonana sy fanaovan-dratsy.
Tokony hanaja tena amin’ny fikarakarana ny vatana sy ny mombamomba azy ivelany sy anatiny ny tovolahy na ny tovovavy koa ‚ mba hanajan’olona sy hanomezan’olona hasina izay mendrika olombelona tsirairay.