ZAVA-DOZA AO IKONGO : SAHIRANA NY MPONINA KA MIVARO-JANAKA SISA NO VAHAOLANA
Iray hetsy Ariary ( 100 000Ar = 500 000Fmg ) no amarotan-dRay aman-dReny ny zanany iray taona ka hatramin’ny efa-taona ao Ikongo ‚ raha ny vaovao miely avy any an-toerana . Vehivavy iray mikampana amin’ny ONG ( organization non governementale ) iray no nijoro vavolombelona fa tena nahita io tranga io tokoa.
Matetika dia misy mandalo ato aminay ireo vehivavy renim-pianakaviana mivarotra ny zanany. Tsy velony intsony ny zaza ka dia aleon’izy ireo hono mahita azy velona eny ampelatanan’olon-kafa toa izay ho maty ny hanoanana sy ny kere eo anatrehany.Tsy vitsy koa no mitondra ny zanany entina eny an-tsena ary itadiavana olona handray azy na hividy azy ireny. 100 000 ariary na 500 000 FMG no vidin’ny zaza iray amin’izany ‚ hoy ny fanazavana nataon’ity vehivavy nijoro vavolombelona ity nanazava.
Mampalahelo ny mijery ny zaza misaraka amin’ny ray amandreniny izany satria dia ranomaso no ifandaozan’izy ireo. Tena zava-misy aty Ikongo ankehitriny ka azoko ijoroana vavolombelona mihitsy izany ka mbola naveriny fanindroany. Ireo miteraka 3 mitohitohy mifanarakaraka no mivaro-janaka ireo mazana. Ny any amin’ny faritry Tanakamba sy Faniria no tena ahitana ity tranga ity hoy hatrany izy nanazava.
Fantatra araka ny loharanom-baovao ‚ andro vitsivitsy izay no nifarana ny fanampiana ara-bola antsoina hoe “tosika fameno” izay mitentina 100 000 ariary indroa miatoana nozarain’ny PAM ( Programme alimentaire mondiale) na ny fandaharan’asa ny firenena mikambana miady amin’ny tsy fanjariantsakafo . Manomboka mirongatra araka izany ny tsy fandriampahalemana ‚ hala-boty sns ao amin’ny Distrikan’Ikongo ‚ tsy misy tahotra amin’ny fanaovana asa ratsy intsony ireo Dahalo izay efa manao sorona ny ainy.