a
FandraisanaVaovaom-paritraZANDARY ANTSOHIHY : MIASA MAFY NA FETY AZA ANDRO▪️JIOLAHY ROA NANGALATRA OMBY ‚ MATY VOTIFITRA

ZANDARY ANTSOHIHY : MIASA MAFY NA FETY AZA ANDRO▪️JIOLAHY ROA NANGALATRA OMBY ‚ MATY VOTIFITRA

ZANDARY ANTSOHIHY : MIASA MAFY NA FETY AZA ANDRO▪️JIOLAHY ROA NANGALATRA OMBY ‚ MATY VOTIFITRA

Betsaka ireo manararaotra manao asa ratsy rehefa fety andro ‚ matetika mitaraina very fananana sy mandry tsy lavo loha ireo tantsaha sy vahoaka ambanivohitra ary mifety ao anaty fitaintaina ny rehefa taom-baovao tahaka izao nohon’ny asan-dahalo . Manomboka niova anefa izany tamin’ity taona 2023 ity ‚ tonga ara-potoana ny zandary rehefa mahazo loharanom-baovao na fety aza ny andro.

Ny alina ( réveillon ) hitsenana ny taom-baovao 2023 no nanararaotra nangalatra omby ireto jiolahy ireto ka voatifitry Nandritra ny fifanjevona tao Betomendry sy tao Ankerika . Olona variana manao fety ‚ izy ireo kosa nanao ny asa ratsy efa fanaony ka nidina ifotony avy hatrany ny kapiteny Tobias ‚ Cdt Compagnie Antsohihy rehefa nahazo vaovao ara-potoana.

 Ankoatrizay dia betsaka amin’ireo hena taterina amin’ny Taxi-moto avy any ambanivohitra no tsy ara-dalàna sy tsy misy taratasy mazava ‚ ao ireo omby nokasaina hanaovana “ TROKO-BE ” izay tsy nanara-dalàna no tsy nisy taratasy mazava ihany koa ka voatery nogizana amin’ny valam-pamonjana.

Tsy mijanona amin’ny toerana iray araka izany ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena tarihin’ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana ato amin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy fa miasa hoan’ny vahoaka na fety aza ny andro . Nampetraka ihany koa ny fanarahamaso eny amin’ny toeram-pilanona manodidina mba afahana mandray fepetra haingana raha misy korontana na sanatria misy fanararaotana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment