ZAIKABEN’NY VEHIVAVY – 08 MARS ANTANANARIVO : NANDEFA SOLONTENA NY FARITRA SOFIA
Miisa 21 ireo delegasionina miaraka amin’Atoa Abdallah Mohamed Narcisse Talem-paritry ny mponina sy fiahiana ara-tsosialy hamonjy ny zaikaben’ny vehivavy 08 Mars 2023 ao Antananarivo . Nihainga androany 01 Mars avy eto Antsohihy izy ireo ka ny Jeneraly Lylyson ‚ Governoran’ny Faritra Sofia no niantoka ny saran-dalana sy vatsin-dalan’ireo mpizaika.
Samy nakana solontena avokoa isakin’ny distrika 07 mandrafitra ny faritra Sofia . Ny sasany miara-mihainga avy eto Antsohihy ‚ ny sasany kosa raisina eo Port Bergé sy ao Mampikony ‚ araka ny fanazavana.
Tazana teny amin’ny biraon’ny Faritra‚ niatrika ny fihaingana ny Talem-paritra misahana ny fotodrafitrasa sy fandrosoana ato amin’ny Faritra Sofia sady nisolotena ny Governora.