a
FandraisanaFambolena sy fiompinaWWF MADAGASIKARA : MANOHY NY EZAKA AMIN’NY FIAROVANA IREO ATIALA AMIN’NY FARITRA MANDO ATY AVARATRIN’NY NOSY‼️

WWF MADAGASIKARA : MANOHY NY EZAKA AMIN’NY FIAROVANA IREO ATIALA AMIN’NY FARITRA MANDO ATY AVARATRIN’NY NOSY‼️

WWF MADAGASIKARA : MANOHY NY EZAKA AMIN’NY FIAROVANA IREO ATIALA AMIN’NY FARITRA MANDO ATY AVARATRIN’NY NOSY‼️

Natomboka androany 19 Mey 2023 ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpiaramiombon’antoka amin’ny fiarovana ny atiala any amin’ireo faritra mando aty amin’ny tapany avaratrin’ny Nosy( SOFIA – SAVA – DIANA ). Dinika fanatsarana ny asa miaraka amin’ny WWF izay miahy manokana ireo atiala ireo‚ fitadiavam-bahaolana manoloana ireo tsindry maro mahazo ny biby sy atiala arovana amin’ny faritra mando ary ireo paikady hoentina hampiroboroboana ny fiarovana ny atiala sy ny tontolo iainana mba hiteraka tombontsoa ambony hoan’ny vahoaka ifotony.

Ny fanaovana tetik’ala‚ saribao na arina fandrehitra‚ fambolena katsaka‚ doro tanety‚ ireo vahiny mpiavy izay mandika lalàna sady tsy voafehy‚ tsy manaja fomban-tany ary ny tsy fisian’ny foto-pivelomana hafa ankoatrany fitrandrahana ireo atiala no tena voalaza fa fototry ny fahapotehany tontolo iainana aty avaratry Madagasikara. Nasaina nikaon-doha nitady vahaolana teto ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga eny ifotony izay nahitana ny Ben’ny tanàna sy ny firaisamonim-pirenena ary ireo solotenam-panjakana.

Hentitra ny Governora Faritra Sofia nanome baiko ireo tompon’andraikitra sy manampahefana ifotony mba hanao tatitra haingana raha mahita tranga fanapotehana ny tontolo iainana eny ifotony‚ afahana mandray fepetra ara-potoana mifanaraka amin’izany ary indrindra hanafaizana izay tompon’antoka fa zava-dehibe loatra ny atiala sy ny fiarovana azy. Namporisika ireo mpamatsy vola sy ireo miantsehatra amin’ny fitantanana izany mba hijery hatrany ny fampandrosoana any amin’ny tontolo Ambanivohitra ary indrindra hitady vahaolana maharitra afahana miaro ny tontolo sady miteraka tombontsoa sy fidiram-bola ary velontena hoan’ireo tantsaha ifotony.

Tanjona ny fiarovana ny tontolo‚ miteraka fandrosoana maharitra. Nanontrona sy nanome voninahitra ny fotoana anio ny solontenan’ny Minisitry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy‚ ny tompon’andraikitra misahana ny fampandrosoana avy amin’ireo faritra voakasika‚ ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy Sofia ‚ ireo Talem-paritra maro avy any amin’ny faritra voakasika ( DIANA – SAVA – SOFIA ) ary ireo olom-boafidy sy ny firaisamonim-pirenena.

Tafiditra amin’ny hetsika fanamarihana ny faha-60 taonan’ny WWF Madagasikara ity hetsika izay hitohy mandritra ny roa andro eto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia ity.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment