a
FandraisanaFambolena sy fiompinaWWF MADAGASIKARA : 60 TAONA NISAHANA HOAN’NY NATIORA‼️

WWF MADAGASIKARA : 60 TAONA NISAHANA HOAN’NY NATIORA‼️

WWF MADAGASIKARA : 60 TAONA NISAHANA HOAN’NY NATIORA‼️

Nomarihina tamin’ny tamin’ny fomba manetriketrika teto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia nandritra ny roa andro‚ ny faha-60 taona ny WWF MADAGASIKARA‚ izay misahana ny fiarovana ny tontolo iainana‚ biby sy atiala amin’ireo faritra mando aty amin’ny tapany avaratry Madagasikara ( faritra SAVA – DIANA – SOFIA ).

Manan-karena voajanahary ary miavaka ny faritra Sofia noho ny fananany ireo atiala sy karazan-javamanan’aina. Nanamafy ny fiarovana izany niaraka tamin’ny vahoaka ifotony ary ireo mpiaramiasa ny WWF ny taona 2009‚ tamin’ny taona 2021 kosa izy nanokatra birao tao Bealanana.

Betsaka ireo ezaka efa vita hatrizay‚ kanefa mbola maro ireo tsindry mahazo ny natiora‚ izay mila fiombonana sy fiarahamientana avy amintsika handresena izany rehetra izany ho fiarovana sy fanatsarana ny tontolo iainantsika. Misokatra hoantsika rehetra ny fiarahamiasa ka aza misalasala‚ hoy Fenohery Rakotondrasoa – Talen’ny fiaravona ao amin’ny WWF.

Raha potika ny tontolo iainana dia potika ihany koa ny fiainantsika koa ndeha samy hiara-hientana amin’ny fiarovana izany‚ hoy ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Mandritsara – Beby Olivier‚ izay nohamafin’ny solontena avy eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy.

 Nanontrona sy nanome voninahitra ny lanonana ireo Solombavambahoaka voafidy tato amin’ny faritra Sofia miisa roa‚ ny solontena avy any amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy‚ ny Tale avy any amin’ny faritra SAVA – DIANA – SOFIA‚ ireo lehiben’ny Distrika ato amin’ny faritra ary ireo mpiantsehatra amin’ny fiarovana ny atiala sy ny tontolo iainana‚ firaisamonim-pirenena.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment