VOTOVORONA : SARONA I KEVIN MIARAMILA SANDOKA MPANDREBIREBY SY MPAMPIHOROHORO VAHOAKA
Efa ampy 10 taona no nandrebireben’i KEVIN ireo mpiaramonina aminy saingy tratra ihany farany . Nisandoka ho Lieutenant avy amin’ny Tafika malagasy – LA 38 miasa ao amin’ny RTS izy ka nanaiky azy ny rehetra teny Votovorona.
Ny 09 Martsa 2023 teo dia nosakanany ny fiaran’ny Kolonely – kaomandin’ny vondro-tobim-pileovan’ny faritra Analamanga ‚ ity farany izay mahafantatra tsara ny Andiany faha 38 lazainy io, ka noraisim-potsiny i KEVIN LIEUTENANT SANDOKA.
![▪️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t4c/1/16/25aa.png)

Betsaka ireo nitaraina fa efa nosolokiany sy norahonany tany Vontovorona fa nanapakevitra ny tsy hitory fa efa ampy sy mavesatra ho azy ireo fandinkan-dalàna anenjehana azy ireo, hoy izy ireo . Ahiana ho anisany ireo tompon’antoka sy niray tsikombakomba tamin’ireo fanafihina nisy tany an-toerana izy.
Tsy mbola nanao « service militaire » mihitsy izy raha ny fanadihadiana natao . Efa natolotra fampanoavana omaly 14 Martsa 2023 ary nahiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ho fiandrasana ny fitsarana.