a
FandraisanaSportTSY NAHITA IREO MPAMPIANATRA NANIMBA SEKOLY AHO FA NOMEN’IREO MPITANDRO FILAMINANA TOAKA

TSY NAHITA IREO MPAMPIANATRA NANIMBA SEKOLY AHO FA NOMEN’IREO MPITANDRO FILAMINANA TOAKA

TSY NAHITA IREO MPAMPIANATRA NANIMBA SEKOLY AHO FA NOMEN’IREO MPITANDRO FILAMINANA TOAKA

Mihazakazaka ny toe-draharaha momba ny fahasimbany sekoly manarapenitra vita ‚ tsy mbola nitokanana tao Ambodiampana Bealanana ‚ izay nahavoheloka ilay mpampianatra mpiasam-panjakana raikitra sy mpampianatra FRAM iray ka nampigadrana azy roa ‚ 10 taona an-tranomaizina.

Nilaza mazava i Tsilavijara ‚ izay voalaza ho vavolombelona nanatri-maso io tranga io fa « Tsy nahita ireo mpampianatra nanimba sekoly manarapenitra izany aho fa nomen’ireo mpitandro filaminana toaka aho ary nohentiny aty Bealanana avy eo ‚ mbola mamo aho no natao famotorana ka nanontanian’izy ireo momba ireo mpampianatra mampianatra ao amin’ny CEG ka izy roa ireo no nolazaiko fa mpampianatra fantatro miasa ao fa tsy nilaza mihitsy aho ‚ hoe : izy roa nanimba ny sekoly . Tany anaty BAR aho tamin’ny fotoana voalaza ho nahasimba io sekoly io.

Nohamafisin’ity farany fa notambatambazana tamin’ny toaka izy mba hilaza sy hanonona ireo mpampianatra fantany ‚ mampianatra ao amin’ny CEG ary nomeny mpitandro filaminana vola roa alina Ariary ( 20 000 Ar ) ihany koa izy aveo ‚ araka ny fanazavana nataony raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.

TSILAVIJARA : « TSY NAHITA IREO MPAMPIANATRA NANIMBA SEKOLY AHO FA NOMEN’IREO MPITANDRO FILAMINANA TOAKA »

Amin’ity herinandro ity no hivoaka ny didim-pitsarana eo amin’ny fitsarana ambony raha tsy misy fiovana tampoka fa arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-