TSY MAHAZO MIHINA KATY SY MANAO ANKANJO TSY MISY TÀNANY
Hentitra ny fanambarana nataony Jean Luc Djavojozara ‚ Ben’ny tanàna voafidy tao Antsiranana ‚ ao amin’ny kaonty Facebook-ny androany 17 Jolay 2022 :
1 000Ar ny saran-dalana eto antampon-tanàna ‚ 1 000Ar avy eo amin’ny Fleur Mena ka hatrany amin’ny Barrage RAMENA.
Tsy mahazo mihinana katy ‚ tsy mahazo manao ankanjo tsy misy tànany ( débardeur ) ary tsy mahazo mandefa hira mafy ao anaty Bajajy ny mpamily.
Mampitandrina izay mbola halaim-panahy ka hanararaotra ny mpandeha izy ary hanasazy sy efa nanasazy izay mandika izany.
ANTSIRANANA : TSY MAHAZO MIHINA KATY SY MANAO ANKANJO TSY MISY TÀNANY IREO MPAMILY BAJAJ