a
FandraisanaPolitikaTSIROAMANDIDY : ESORY PREFET FA MAMPIJALY VAHOAKA

TSIROAMANDIDY : ESORY PREFET FA MAMPIJALY VAHOAKA

TSIROAMANDIDY : ESORY PREFET FA MAMPIJALY VAHOAKA

Nilanja sora-baventy izay mitaky fanesorana ny lehiben’ny Prefektiora ary nanao fanambarana ireo fikambanana Ben’ny tanàna ao Tsiroamandidy sy amin’iny faritra Bongolava iny androany 16 septambra 2022.

Manohana fitondrana misy izahay Ben’ny tanàna ‚ manao ny asany ny Governoran’ny faritra fa ny tena mamparary sy mampanahirana anay ny fanararaotana misy ataon’ireo « délégué » amin’ny resaka FIB na taratasin’omby izay mihoapampana ary tafakatra 45 000Ar hatatramin’ny iray hetsy Ariary ( 100 000Ar ) . Efa nisy fanairana sy fampahafantarana momba izany nataonay fa tsy nisy valiny hatramin’izao ka mitaraina ny vahoaka . Miantso ny fitondram-panjakana mahefa mba hanala an’ny Préfet izay tsy mahabaiko « délégué » izahay ‚ hoy ireo Ben’ny tanàna mivondrona ao amin’ny faritra Bongolava.
Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny fa mafanafana ny toe-draharaha any an-toerana.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment