TRIDY ELBERTIA MISS SOFIA ‚ PREMIÈRE DAUPHINE MISS ÎLE DE MADAGASCAR : HIAINGA HO ANY DUBAÏ ATSY HO ATSY
Mamiratra hatrany ny zanaky ny faritra Sofia rehefa mandray anjara amin’ny fifaninana na isam-paritra na fifaninana Nasionaly . Porofon’izany izao vokatra azony TRIDY ELBERTIA izao . Voafantina ho isan’ireo tovovavy tsara tarehy sy bika faharoa ( PREMIÈRE DAUPHINE ) tamin’ny fifaninana MISS ÎLE DE MADAGASCAR izy ‚ izay nisolontena ny vehivavy ato amin’ny faritra Sofia.
Fitsangatsangana ‚ fialantsasatra any Dubaï ‚ tanàna manana ny maha izy azy eran-tany sy fanomezana maro isan-karazany no natolotr’ireo mpikarakara ny « MISS ET MISTER ÎLE DE MADAGASCAR » azy.
Miarahaba sy mirary soa azy ho tonga amin’ny avo indrindra ‚ amin’ny tanjona hiriana ho reharehan’ny faritra nihaviana ![🥰](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tea/1/16/1f970.png)
![🥰](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tea/1/16/1f970.png)
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.