a
FandraisanaVaovaom-paritraTOVOLAHY MPAMILY BAJAJ VOAROBA TAO SAMBAVA : VERY VOLA 60 000AR⁉️

TOVOLAHY MPAMILY BAJAJ VOAROBA TAO SAMBAVA : VERY VOLA 60 000AR⁉️

TOVOLAHY MPAMILY BAJAJ VOAROBA TAO SAMBAVA : VERY VOLA 60 000AR⁉️

 Gasy samy gasy no mifamono sy mifampidaroka eto ‚ tsy hita taratra intsony ny soatoavina maha Malagasy fa dia very tanteraka . Fahantrana tafahoatra ve sa ny Toe-tsaina mihitsy no mila fanovana ? Hoy ny olom-pirenena tsotra naneho ny heviny manoloana ny zava-nitranga tany Sambava omaly 23 Martsa 2023 sy fahitana ilay Ramatoa voadaroka tao Antsirabe izay tena mahonena tokoa ary ireo tranga fakana an-keriny ‚ fanafihina etsy sy eroa.

Raha tsiahivina dia voaroba ity Tovolahy mpamily BAJAJ ity fa nanao ankanjo loranjy misy sariny filoham-pirenena sy laharana faha-13 ‚ rehefa nanao ny asany ka nandalo manodidina toerana nisy olona nanao fihetsiketsehana momba ny lavanila omaly . Noesorin’izy ireo ny ankanjo ‚ nalain’ireo nitangorona teny ny vola 60 000Ar hanaovana “ versement ” sy hikarakarany ny mombamomba azy ‚ hanatsarany ny fiainany ary very hatramin’ny findainy.

 Fihetsika momohetra ‚ tsy mendrika maha Malagasy izao nitranga izao ‚ na inona na inona ny mety ho antony ‚ malalaka ihany koa ny tsirairay amin’ny firehan-kevitra politika arahiny sy hijoroany ary antoko politika idirany fa tsy misy azo terena ‚ hoy hatrany ny fanehoan-kevitra manameloka ny herisetra ara-batana sy ara-moraly izay nahazo ity Tovolahy ity.

 Omaly ihany moa ‚ nidina ifotony ny Minisitry ny varotra sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena nitafa tamin’ireo lohandohany ao amin’ny SOS VANILLE ‚ efa nisy ny marimaritra niraisana sy fifandaminana natao ka tsy tokony hisy olona hitokona sy hanao fihetsiketsehana momba ny lavanila intsony atoato araka ny fampitam-baovao voarainay ny maraina teo.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment