TOLIARA : AMPOLONY IREO BASY SY BALA TSY ARA-DALÀNA TAFIDITRA ETO MADAGASIKARA ▪️SARONA NANDRITRA NY FISAVANA NATAONY MPIASAN’NY FADIN-TSERANANA‼️
BASY “CALIBRE 12” miisa 10 miaraka amin’ny balany miisa 350 ‚ misy bala miisa 100 hafa ( 22 long rifle ) no saron’ny mpiasan’ny fadin-tseranana omaly 10 April 2023 ‚ nandritra ny fisavana nataony.
Taratasy maromaro izay misy ny anaran’olona 10 samy hafa no sarona niaraka tamin’izy ireo . Voalaza ihany koa fa tsy nisy taratasy manome alalana fampidirana ireto basy ireto hatreto araka ny fanazavana.
Ireo tratra sy sarona ihany hita ireto ‚ ahiana ny mety hisiany basy sy bala tsy ara-dalàna maro ‚ tafiditra sy ampiasain’ireo tsy mataho-tody eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ‚ miteraka tsy fandriampahalemana sy fanafihina ary fakana an-keriny ?