a
FandraisanaVaovaom-paritraTOHIN-DRAHARAHA ANDRANOMADIO BEALANANA : TSY NAMALY ANTSO NATAON’NY ZANDARY IREO VOATONDRO HO TOMPON’ANTOKA TAMIN’NY FANAFIHANA SY FANOLANANA ARY FANDORANA TRANO AMPOLONY

TOHIN-DRAHARAHA ANDRANOMADIO BEALANANA : TSY NAMALY ANTSO NATAON’NY ZANDARY IREO VOATONDRO HO TOMPON’ANTOKA TAMIN’NY FANAFIHANA SY FANOLANANA ARY FANDORANA TRANO AMPOLONY

TOHIN-DRAHARAHA ANDRANOMADIO BEALANANA : TSY NAMALY ANTSO NATAON’NY ZANDARY IREO VOATONDRO HO TOMPON’ANTOKA TAMIN’NY FANAFIHANA SY FANOLANANA ARY FANDORANA TRANO AMPOLONY

Taoriany fipohan-draharaha mafana ao Andranomadio dia nandefa taratasy fiantsoana ( convocation ) hoan’ireo voatondro ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana sy fanolanana tambabe ary fandorana trano ampolony maro niseho tany an-toerana ny zandary misahana ny heloka bevava na ny GAPG eto Antsohihy . Mba ahafantarana ny zava-misy marina sy fandraisana fepetra momba ireo nahavanon-doza araka ny fiheveran’ireo mpitoroka sy lasibatra noho ny fandrombana.

 Hatreto dia tsy mbola namaly ny antso nalefan’ny zandary ireo olona nandefasana fiantsoana ireo ary ny tena loza dia efa manomboka ary manararaotra mioty ( mitsongo ) lavanio navolin’ireo mpamboly izay noroahina amin’ny tanin-dRazambeny ireo mersenera nasaina niandry tanàna mba tsy hidiran’olona na ireo mpamboly haka ny voliny sy vokatry ny asasarany aza ‚ araka ny fanazavana.

Mafy ny zavatra iainany tantsaha mpamboly eny ifotony . Ankoatrany fandrebirebena sy fandravana tany izay foto-pivelomany ‚ ataon’ireo milaza azy ho mahitahita sy mahafantatra olona ambony dia voatery najanona nianatra ireo ankizy kely aman-jatony noho ny fahasahiranana.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment