a
FandraisanaVaovaom-paritraTOHIM-BAOVAO AMBARARATAN’I SOFIA BEALANANA : NIDINA NANOKATRA BIRAON’NY KAOMININA NY ZANDARY‼️

TOHIM-BAOVAO AMBARARATAN’I SOFIA BEALANANA : NIDINA NANOKATRA BIRAON’NY KAOMININA NY ZANDARY‼️

TOHIM-BAOVAO AMBARARATAN’I SOFIA BEALANANA : NIDINA NANOKATRA BIRAON’NY KAOMININA NY ZANDARY‼️

Nanaiky ny fandaminana ny vahoaka ao Ambararatan’i Sofia – Bealanana taorian’ny fifampiresahana natao. Ireto farany moa mbola nanitrikitrika mafy fa ho mafimafin’ny hetsika efa natao ny zava hitranga‚ raha mbola mikiry hamindra toerana ny mpitsabo miasa any ifotony io fanjakana.

Raha tsiahivina ny tantara dia nanome baiko ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Sofia‚ hamindrana toerana ny Dokotera miasa ao Ambararatan’i Sofia‚ Distrika Bealanana ny sekretera nasionalin’antoko TGV Mahajanga sady Depiote voafidy tany Mahajanga no VPAN. Ny antony dia tsotra‚ hafindra toerana ilay mpitsabo satria efa mifandray am-po loatra amin’ny vahoaka ka atahorana hirotsa-kofidiana amin’ny fifidianana ho avy ka handresy ilay Ben’ny tanàna TGV amperinasa ankehitriny‚ raha ny fanazavana.

Nofantsihan’ny fokonolona ifotony araka izany ny biraon’ny kaominina ary tsy avela misokatra raha tsy misolo ilay Ben’ny tanàna TGV. Nidina nifampiresaka ifotony ny zandary ho fandaminana ka izao nisy ny marimaritra niraisana izao ary natolotra ny Ben’ny tanàna Lefitra Birao fa tsy ao an-toerana ny Ben’ny tanàna Roger‚ izay efa tsy ankatoavin’ny vahoaka.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment