TOAMASINA : HAFA IHANY BEN’NY TANÀNA NANTENAINA – FIHAVANANA NO HENTINA MAMPANDROSO
Nandefa hafatra mafonja‚ sy mifono anatra hoan’ireo kandida Ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Ambonivohitra Toamasina i Nantenaina – Ben’ny tanàna amperinasa nandritra ny fanombohana ny varavarana misokatra amin’ny fametrahana torolalana na ny « guide du citoyen et manuel de procédure » an’i kaomina.
Aoka samy hifeny ny mpomba azy ny samy kandida mpifanina ho Ben’ny tanàna‚ mba tsy hisy ny fifandranitana ao amin’ny tambazotran-tserasera. Tanjona tokana dia ny fikatsahana ny tombotsoan’i Toamasina. Aoka mba ho ao anaty fihavanana no hiatrehana ny fampandrosoana ny tanàna‚ hoy izy nanao antso avo hoan’ireo kandida ho Ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny tanàna ao Toamasina.
Tazana tao amin’ny esplanade manoloana ny lapan’ny tanana avokoa ireo kandida na ny avy amin’ny fanoherana na ny mpomba ny fitondrana‚ hoy hatrany izy namarana ny tenany.