AJANONY MANOMBOKA IZAO NY FANDREBIREBENA ATAO AMIN’NY ZANAKA SOFIA
Hentitra ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ ny Governoran’ny faritra Sofia raha nandray fitenenana manoloana ny toe-draharaha misy ao Tsiningia Port Bergé sy kaominina maro ato amin’ny faritra Sofia : Fandrebirebena ‚ fampihorohoroana ‚ fanimbana tontolo iainana ‚ fandravana ‚… ataon’ireo mpivahiny ‚ tonga ato amin’ny faritra izay mampitaraina ny tompon-tany fa indrindra ireo SOJABE sy Tanora zanaky ny faritra.
Ajanony dien’izao ny fandrebirebena atao amin’ny zanaky ny faritra Sofia fa Tany Tan-dalàna i Madagasikara ary anatin’izany ny faritra Sofia . Misy DINA BESABOHA izay tsy maintsy arahiny izay rehetra monina sy tonga ato amin’ny faritra ‚ voarakitra ao anatin’izany ny tsy maintsy hanajana ny fomban-tany ary sazy rehetra hoan’ireo tratra manimba sy mamotika atiala koa mampitandrina izay mbola mikasa hanao izany.
Tsy maintsy manaja sy manaraka fomban-tany izay rehetra tonga ato amin’ny faritra koa mampitandrina ireo izay mbola halaim-panahy handika na halaim-panahy hampihorohoro ny zanaky ny faritra ny tenako izay tsy mainaiky intsony ny fandikan-dalàna sy barofa atao ato amin’ny faritra.
Tompon’andraikitra voalohany ato amin’ny faritra Sofia ny tenako ka hijoro miaraka amin’ireo Ray aman-dReny SOJABE ary ireo zanaky ny faritra aho ‚ hiaro ary handray fepetra hentitra amin’izay mbola mandika izany ‚ hoy izy tao Port Bergé ‚ nitafa mivantana tamin’ireo filohan’ny Fikambanana maro toy ny FITEAM ( Fikambanana teraka Androy ) ‚ FIZAFATO ( Fikambanana Zanaka Ampielezana Toliara ) … Tazana niatrika ny fotoana ny Jeneraly Attoumany ‚ A2 COM GN sy ireo mpikambana OMC Sofia ary ireo SOJABE maro.
Fandrebirebena ‚ fampihorohoroana ‚ fanimbana tontolo iainana ‚ fandravana ‚…