a
FandraisanaPolitikaTIM ROBINSON : NY FOTOPISAINANA NO TOKONY AMPANDROSOANA VOALOHANY RAHA TE-HANDROSO ISIKA

TIM ROBINSON : NY FOTOPISAINANA NO TOKONY AMPANDROSOANA VOALOHANY RAHA TE-HANDROSO ISIKA

TIM ROBINSON : NY FOTOPISAINANA NO TOKONY AMPANDROSOANA VOALOHANY RAHA TE-HANDROSO ISIKA

Tsy eo amin’ny sehatra ara-tsosialy sy ara-politika ary ara ekonomika sns ihany no hitarafana fandrosoana amin’ny faritra na firenena iray fa tafiditra anatiny ny fandrosoan’ny fotopisainana ‚ izay tsy hilàna famatsiam-bola avy any ivelany fa miankina amin’ny tsirairay . Raha tena te-handroso isika dia io fotopisainana io no tokony hampandrosoana voalohany ka sahia miova amin’ny zavatra tsy mampandroso fiainantsika manokana ‚ na ny tokantrano misy atsika ‚ eny ny fiainam-pirenentsika‚ hoy fanehoan-kevitra nataon’i Tim Robinson Gabriel Rabearivelo androany 14 Martsa 2023.

Niteraka resa-be tatoato ny fanehoan-kevitra nataon’ny Solombavambahoaka voafidy tao Analalava ‚ Irénée Djaosera ‚ misy ireo mankasitraka ‚ ao ireo manakiana fa misy tena mankahala mihitsy aza.

 Raha ny hevitro manokana dia ‚ anisany Solombavambahoaka vitsy mahafehy ny fitantanan-draharaham-panjakana ao amin’ny Antenimierampirenena ity Solombavambahoaka ity . Tsy kisendrasendra anefa izany fa tao ny finiavany ‚ ny fianarana natao sy norantoviny ‚ ireo fiofanana azony ary ny traikefa izay ananany . Efa nisahana andraikitra ambony teto amin’ny firenena izy ka tokony hirehareha isika Malagasy rehetra manana azy fa indrindra isika mpiray faritra aminy fa manana olo-manga ‚ olom-boafidy izy no teknisianina feno . Depiote Djaosera Irénée no Solombavambahoaka mahay mandaha-teny indrindra amin’ireo Solombavambahoaka voafidy tato amin’ny faritra Sofia.

Hanakianana azy mafy ny fahadisoam-panantenany amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny ‚ inona anefa no tsininy amin’izany ? Mahalala izay nofanarahan’izy ireo tamin’ny fanohanana izao fitondrana izao tany ampiandohana ve isika ? Misy ireo milaza fa malahelo izy tsy notendrena minisitra ? Inona ny mahadiso azy amin’izany ? Tsy manana traikefa na fahaizamanao ary fahaizana ( CV ) mifandraika amin’izany ve izy ? Tsara lavitra noho azy ve ny “ CV ”-n’ireo minisitra amperinasa ankehitriny ‚ raha ampitahaina aminy ? Ratsy hoan’ny firenena na ny faritra Sofia izay nihaviany ve ny fanendrena azy ho minisitra ? Ireo fanontaniana maromaro ireo no nohezahiko novaliana fa tsy voavaliko ka izany no ilazako fa ny fotopisainana no tokony hampandrosoana voalohany eto amintsika ‚ raha te-handroso isika‚ hoy hatrany ity Ray aman-dReny sady manampahaizana zanaky ny faritra Sofia ity ‚ manoloana ny fanakianana mahazo ny zanaky ny faritra ‚ rehefa mijoro sy maneho hevitra amin’ny zava-misy ankehitriny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment