TIAKO ZALAHY ANTSOHIHY AI – ZAMI : NAMBOLY ZANA-KAZO 400 FOTOTRA
Tao Anahidrano no nanatanterahan’ny Fikambanana ZAMI ( Zanaka Antsohihy MIray ) fambolen-kazo ny 24 Febroary 2023 teo . « Tiako zalahy Antsohihy ai » io ny teny hamantarana ity fikambanana ity.
Antsohihy maitso sy rakotra ala no tanjona ka zana-kazo 400 fototra no voavoly nandritra ny fotoana niarahana teny . Hisy ny fanarahamaso atao aorian’izao mba tsy fotoana very maina iny nanaovana hetsika iny.