THACYA RAZAFINDRAIBE : NAMOY NY AINY TEO AMPITERAHANA‼️
Milanja 06Kg ny zanany ka nanano sarotra ny fampiterahana azy teto Antsohihy ka voatery nodidina izy . Nanao ny ezaka rehetra ny mpitsabo fa tsy tana ny ainy ‚ avotra soamantsara kosa ilay zaza kely araka ny fanazavana voaray . Thacya RAZAFINDRAIBE no tena anarany fa vadin’i Ralava mpivarotra CD teo akaiky vody finesy taloha no afantarany maro azy ‚ miasa ao amin’ny SDSP Antsohihy ihany koa izy.
Mananjanaka 04 izy ‚ 40 taona izao nidaosim-pahafatesana izao . Ny Razana dia andrasana ao amin’ny tranony Drahoa androany ary hoentina hamonjy ny fasan-drazany ao Antambao Anjiamangirina rahampitso alahady 26 Martsa 2023.
Mankahery ny fianakaviana rehetra ary mirary soa hoan’ilay zazakely ho tombo tezaina.