a
FandraisanaFambolena sy fiompinaTETIK’ASA FIAROVANA IREO ROHIVOAHARY AO BELOY – CU ANTSOHIHY : VONONA HIARAHIASA AMIN’NY FAMBOLENA SY FAMPIROBOROBOANA ARY FIAROVANA NY ALA HONKO NY VAHOAKA IFOTONY

TETIK’ASA FIAROVANA IREO ROHIVOAHARY AO BELOY – CU ANTSOHIHY : VONONA HIARAHIASA AMIN’NY FAMBOLENA SY FAMPIROBOROBOANA ARY FIAROVANA NY ALA HONKO NY VAHOAKA IFOTONY

TETIK’ASA FIAROVANA IREO ROHIVOAHARY AO BELOY – CU ANTSOHIHY : VONONA HIARAHIASA AMIN’NY FAMBOLENA SY FAMPIROBOROBOANA ARY FIAROVANA NY ALA HONKO NY VAHOAKA IFOTONY

 Andro sisa no isaina Dia hanomboka ny tetik’asa fiarovana ny rohivoahary ( écosystème ) amin’ny morintsirakin’ny Faritra Sofia ‚ hisy ny fambolena zana-kazo honko sy fanaovana “pépinière” amin’ny faritra voakasika izany ato amin’ny Faritra . Nidina ifotony tao Beloy ‚ fokontany Ankiririky Nord II kaominina ambonivohitry Antsohihy ireo mpiandraikitra sy mpanaramaso ny fizotran’ny tetik’asa ‚ izay nahitana ny Mpandrindra Nasionaly Programan’asan’ny Fifanarahana Nairobi ‚ ny Sekretera jeneraly eo anivon’ny ministeran’ny jono sy toekarena manga androany 07 Febroary 2023 . Nisy ny tatitra momba ireo vokatra ny fitsirihana ny fahasalaman’ny ala honko manodidina ny Baies de Laloza iny ‚ nataony CNRO ( Centre National de Recherche Océanique ) ny volana aogositra 2022.

 Ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy gaboraraka ateraky ny politika no fototry ny olàna mandripaka ny ala honko ‚ miezaka ireo tompon’andraikitra manao ny asany saingy ireo mpanao politika aveo miditra an-tsehatra miaro ireo tratra manao fandripahana ala honko izay ka mila samy resilahatra ny tsirairay amin’ny fiarovana azy ary amin’ny fampiroboroboana ny fambolena azy mba hampahomby ny tanjona ‚ tokony hametraka DINA iraisana momba ny fiarovana ala honko ny vahoaka ifotony mba tena ho tompon’andraikitra ‚ hoy ny tatitra nataon’ireo avy ao amin’i CNRO.

 Ity tetik’asa ity hiantsehatra tanteraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eny amoron-tsiraka sy any an-dranomasina mba hampiroboroboana ny sehatry ny jono ‚ nosafidina manokana ny fambolen-kazo honko ary fiarovana azy mba hampiroborobo ny ny seha-pihariana an-dranomasina afahan’ny mpanjono mivelona ara-dalàna amin’ny fahampiany vokatra an-dranomasina . Ho tohanana ara-bola sy ara-pitaovana ireo Fikambanana ifotony izay miantsehatra amin’ny fambolen-kazo honko sy miaro izany amin’ny Faritra voakasikin’ny tetik’asa ‚ hoy ny fanazavana nataony RASOANAINA Jacquis, Mpandrindra Nasionaly Programan’asan’ny Fifanarahana Nairobi ( Coordonateur National du Programme de Travail de la Convention de Nairobi ) ‚ androany raha namporisika ireo vahoaka ifotony hanao vadin’asa amin’ny fambolen-kazo sy fiarovana azy.

Nitondra teny fankasitrahana ireo mponina izay efa mangetaheta mafy ny fanombohana tetik’asa ary nilaza izy ireo fa vovonana amin’ny fiarahamiasa . « Tegna ilainay io tetik’asa io satria sady mahazo vola zahay mamboly aveo mbola miroborobo koa sehatr‘asa misy zahay amin’ny lafiny jono kay mbô ataovonareo malakilaky fikarakarana izy ao » ‚ hoy ireo mpanjono ifotony.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment