a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaTENCE MENA NISARAKA AMIN’I AYO NAEJ : TENA IZY SA HAMPITOMBO LAZA⁉️

TENCE MENA NISARAKA AMIN’I AYO NAEJ : TENA IZY SA HAMPITOMBO LAZA⁉️

TENCE MENA NISARAKA AMIN’I AYO NAEJ : TENA IZY SA HAMPITOMBO LAZA⁉️

Vao tsy ela‚ tsy ampy 03 volana izay no niara-niwerawera teto an-tambazotran-tserasera‚ namoaka sariny niaraka tamin’ny fiara vaovao (4*4) tsara tarehy ireto mpihira roa sady mpifankatia ireto. Fantatra taorian’izany koa fa feno 20 taona ingahy milionera izay vadin-dRatoa Tence Mena‚ mpihira Malagasy fanta-daza sady manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny mozika eto Madagasikara.

Omaly 15 Jona 2023 anefa nanao fanambarana tao amin’ny pejiny i TENCE MENA fa “CÉLIBATAIRE” na tsy manambady ravehivavy manomboka izao. Nisaraka ve sa tehampitombo iisa ny mpanaraka azy indray i TENCE MENA ? hoy ny mparaka sy mpankafy azy mametra-panontania. Ny sasany indray milaza fa efa izy io‚ toy nataony tamin’i DJ COOL ihany‚ rehefa misaraka dia misaraka fa tsisy hoe “buzz” na zavatra hafa izany.

Ny fiarahamonina sasany moa tsy miasa saina amin’izany fa ny vidim-piainana tsy mitsahatra miakatra‚ vidin’ny lavanila mitotongana hatramin’ny 3 000Ar – 5 000Ar ary ny krizy aterakin’ny delestazy lavareny no mampanahirana azy nefa tsy hita taratra mipaka ifotony ny vahaolana ara-tsosialy izay atao laharam-pahamehana araka ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena‚ hany ka mirongatra ny tsy fandriampahalemana sy fanafihina miatam-piadiana mahery vaika amoizany ain’olona‚ na efa manao ezaka aza ny mpitandro filaminana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment