a
FandraisanaVaovaom-paritraTARANAKA BEMIRANTINA : NAHIDITRA AM-PONJA MBA AFAHANA MANALA SY MANDRAVA AZY AMIN’NY TANINY⁉️

TARANAKA BEMIRANTINA : NAHIDITRA AM-PONJA MBA AFAHANA MANALA SY MANDRAVA AZY AMIN’NY TANINY⁉️

TARANAKA BEMIRANTINA : NAHIDITRA AM-PONJA MBA AFAHANA MANALA SY MANDRAVA AZY AMIN’NY TANINY⁉️

Anisany fototra tsy mampilamina ny faritra Sofia fa indrindra any Ambanivohitra ny fisian’ny ady tany‚ izay miteraka tsy fandriampahalemana ary miafara amin’ny fifamonoana mihitsy aza indraindray. Efa nohentsika teto ny fanazavana momba ny zava-misy ao Maropapango fokontany Amparihy Kaominina Belalona Distrikan’i Befandriana avaratra‚ izay mampisy olàna eo amin’ny taranaka Soanaomby sy Bemirantina ary tsy mbola vita hatramin’izao.

Raha tsiahivina ny tantara dia miaka-midina eny amin’ny fitsarana ny raharaha ary samy manao izay fara-heviny afahana mahazo fandresena ny andaniny sy ny ankilany. Miezaka manao ny asany manoloana izany ny fitsarana Malagasy‚ mba hiarovana ny zon’ireo tsantsaha ary hisian’ny filaminana any Ambanivohitra.

Taorian’ny fandresena maro sy nisesisesy ary ireo didim-pitsarana mamela ny taranaka Bemirantina hiasa ao amin’ny tany Maropapango haut dia nahazo sazy 02 taona an-trano maizina araka ny didim-pitsarana laharana 922 – 22 septembre 2017‚ raharaha 1063 – Rép/17/CD. Ny fanimbana voly lavanila no antony sazy ka voaheloka higadra 02 taona an-trano maizina sy mandoa lamandy 200 Tapitrisa Ariary amin’ny taranaka Soanaomby ireo lohandohany ao amin’ny taranaka Bemirantina.

Ny sasany voasambotra ka nahiditra am-ponja‚ ny sasany kosa nandositra tsy nahazaka tanàna fa na izany‚ niezaka nanao fampakarana ny raharaha tamin’ny fitsarana ambony ihany ny taranaka Bemirantina mba hiarovany ny zo-ny sy ny taniny. Namoaka didy ny fitsarana ambony fa nanamafy izay navoakan’ny TPI Mandritsara ( Arrêt 821 du 19 Décembre 2017. Dossier N°34/415/COR/17 ). Tsy mbola afa-po fa niala nenina tany amin’ny fitsarana an-tampony ny taranaka Bemirantina ka namoaka didy manafoana ireo didy nivoaka teo aloha ireo ny fitsarana an-tampony tamin’ny alalany didim-pitsarana “Arrêt 466 du 11 Décembre 2020. Dossier 66/18-PEN”.

Marihina anefa‚ nandritra ny fampakarana ny raharaha teny amin’ny fitsarana an-tampony sy fiandrasana ny didim-pitsarana dia nanararaotra nikarakara taratasy afahany mahazo ny tany ireo taranaka Soanaomby. Nangataka taratasy afahana manao lavanty fananan’ireo taranaka Bemirantina izy ireo ( Ordonnance N°83 du 21 Février 2018 ). Nisy araka izany ny fanaovana lavanty ny tanim-bary‚ tanin-davanilina ary moto sy fananana rehetra raha mbola nigadra sy nikarakara taratasy fampakaran-draharaha tamin’ny fitsarana an-tampony ary nandositra tsy nahazaka tanàna ny ankilany taranaka Bemirantina.

Tsy nisy nividy ny lavanty natao fa izy ihany no nividy sy naka izany fa tsy nisy vola naloa intsony. Rehefa nahazo taratasy fahazahoana ireo tany sy fananana maro tamin’ny alalany lavanty dia nikarakara taratasy tamin’ny tompon’andraikitra misahana ny fananantany izy ireo mba azahoany “titre sy borne” hanaporofoany maha azy ny tany rehefa mitohy ny ady. Io no lazan’ilay mpisolovava an-dRamatoa Soanaomby fa efa vita ny ady ary efa “titre – borné” amin-dRamatoa Soanaomby ny tany sy fananana rehetra ao Maropapango haut – Amparihy Kaominina Belalona Distrikan’i Befandriana avaratra.

Very zo sy Noverezin-jo araka izany ary voarava fananana ny taranaka Bemirantina ka miantso vonjy amin’izay rehetra afaka manampy azy‚ hamerana ny fananany aminy fa ao ny fivelomany rehetra sy ny hoavin’ny taranaka faramandimby ampolony maro.

Raha ny fanazavana sy tantara dia namoaka didy vonjimaika laharana faha-150 ny fitsarana ambaratonga voalohany Mandritsara ny 26 Oktobra 1989 ‚ izay nisy fitanana an-tsoratra N° 02 – HP/DN/95‚ raharaha faha 25 – REF/89. Maropapango haut le 25 Décembre 1995‚ izay mandidy an-dRamatoa Soanaomby sy ny taranany tsy hanelingelina ny taranaka Bemirantina ary hamela azy ireo hiasa ampilaminana mandra-pivoahan’ny didy mahakasika ny fanohanana refin-tany nataon’i Soanaomby.

Namoaka didy raikitra ny fitsarana ambaratonga voalohany Mandritsara « Fitsarana ady madio laharana faha 249 – 16 Mars 2000‚ izay mandroaka Ramatoa Soanaomby sy taranany hiala amin’ny tany sady handoa onitra 200 000Ar amin’ny taranaka Bemirantina». Tsy nisy nampakatra ny raharaha ny taranaka Soanaomby rehefa resy tamin’io fotoana io ary efa misy taratasy manaporofo izany ( certificat de non Appel : Mandritsara le 03 Novembre 2004 )‚ Tonga namaky didim-pitsarana tany ifotony ny vaditany ny 20 Oktobra 2004.

Tsy nanaiky hiala amin’ny tany ary nanohitra io didim-pitsarana io ny taranaka Soanaomby ka nisy ny fitarainana nataon’ny taranaka Bemirantina izay namoahan’ny fitsarana didy « Jugement correctionnel N°007 du 11 Février 2005. Dossier N°1124-RP/04/IS/CO » izay manameloka ny taranaka Soanaomby higadra 02 taona an-trano maizina miaraka amin’ny lamandy 03 Tapitrisa Ariary ( dommages intérêts ) omena ny taranaka Bemirantina. Nidina namaky sy nampahafantatra izany ny vaditany ny 11 Oktobra 2006 ( N°53/Rép/H/06 ). Tsy naharitra ela tany am-ponja izy ireo‚ 03 volana raha ela indrindra dia nody tany amin’ny faritra SAVA ireo voaheloka higadra raha tokony namita mbola hamita saziny 02 taona an-trano maizina‚ tsy mbola voaloa hatramin’izao ihany koa ilay vola lamandy 03 Tapitrisa Ariary araka ny fanazavana.

Namorona zavatra hafa afahana mamboly korontana indray ireo sisa tsy nigadra tamin’ny taranaka Soanaomby‚ nangataka ny hanaovana fandresenan-tany tamin’ny taona 1972 ary nisy ny fitsirihana : AFF – N°73 – CG/72 ka nijoro nanohana izany ny taraka Bemirantina sady niroso tamin’ny fandrefesan-tany sy fangatahana fitsirihana : AFF – N°26 – CG/87. Nanao hevitra rehetra hanafoanana io fanohanana nataon’ny taranaka Bemirantina io Rtoa Soanaomby ka nanatona ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono. Tanteraka araka izany ny fikasany‚ nofoanan’ny minisitera ny fanohanana nataon’ny taranaka Bemirantina ( Fanapahana N°20/08 – Antananarivo 22 Avril 2008 ). Farany dia nitondra raharaha teny amin’ny fitsarana sisa mba hiarovan’ny taranaka Bemirantina zo-ny sy ny fananany tsy ho voaravan’olona izay milaza ho mahafantatra olona ambony.

Nofoanan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Mandritsara ilay fanapahana nataon’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary ny Jono ( Jugement civil contradictoire N°263 du 09 octobre 2008. Affaire N°179 – RG/08 Annulation de la décision N°20/08 du 22 Avril 2008 : En forme – Déclare la requête recevable‚ déclare la demande reconventionnelle recevable ; Au fond – Constate le nullité de la décision N°20/08 du 22/04/08 du ministère de l’agriculture d’élevage et de la pêche ) ny taona 2010 no nivoaka io didy io.

Nampakatra ny raharaha tamin’ny fitsarana ambony ny taranaka Soanaomby izay tsy afa-po kanefa nanamafy io didy noraisin’ny TPI Mandritsara io ihany ny Cours d’Appel Mahajanga ( Arrêt N°118 du 24 Mars 2010 ; dossier N° 325/CIV4/08 )‚ fa mbola tsy afa-po ihany ny taranaka Soanaomby ary nampakatra amin’ny fitsarana an-tampony. Fanamafisana didy navoakan’ny fitsarana ambony io ihany anefa ny didy navoakan’ny fitsarana an-tampony ( Arrêt N°183 du 05 Juin 2015. Matière : civil. Dossier : 862/10 – CO ). Natao ny 12 Oktobra 2017 ny famakiana didy voatanisa etsy ambony fa mbola tsy afa-po tamin’ny ady ihany Rtoa Soanaomby sy taranany ka namorona zavatra hafa indray afahana miady sy mandromba ireo fananana izay niafara tamin’ny fampidirana am-ponja araka ny voalaza etsy ambony.

Tany efa niasana nandritra ny 25taona‚ ny voliny ihany no nisy teo saingy ireo ihany no nanagadrana azy araka ny fanazavana nataon’i Daulphin Edmond‚ tantsaha avy any Maropapango haut fokontany Belalona izay efa nisazy 02 taona an-trano maizina noho ny disadisa sy ady misy. Didim-pitsarana izay efa nofoanan’ny fitsarana an-tampony.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment