TANORA MENDRIKA SALAMA βΌοΈπ©Ί
Nomena fiofanana momba ny fahasalamanβny taovam-pananahana sy ireo tsara ho fantatra mandritra ny fahatorana ary fitondran-tena mendrikaβ ara-pahasalamana ny tanora mpikambana ato aminβny Z.T.A « Zahay Tanoran’AntsohihyΒ Β» ny alahady 14 Mey 2023 teo.
Voaresaka nandritra izany ny fandrindrana ny fiainam-pianakavianaβ fiarovana tanora tsy ho bevohoka aloha loatraβ lafy ratsinβny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra ary ny fiantraikany fihinanana zava-mahadomelona sns.
Tanjona ny fananana TANORA MENDRIKA SALAMA : Tsy manao firaisana ara-nofo aloha loatraβ tsy bevohoka na mahabevohoka aloha loatra na tsy hirianaβ tsy miondana na andevozinβireo zava-mahadomelona ny tanora ary manentana ireo namany efa roboka ao anatinβizany mba ho afaka ary ho lasa TANORA MENDRIKA SALAMA araka ny tanjona nofaritana.