a
FandraisanaFahasalamanaTANORA MENDRIKA SALAMA β€ΌοΈπŸ©Ί

TANORA MENDRIKA SALAMA β€ΌοΈπŸ©Ί

TANORA MENDRIKA SALAMA β€ΌοΈπŸ©Ί

Nomena fiofanana momba ny fahasalaman’ny taovam-pananahana sy ireo tsara ho fantatra mandritra ny fahatorana ary fitondran-tena mendrikaβ€š ara-pahasalamana ny tanora mpikambana ato amin’ny Z.T.A « Zahay Tanoran’AntsohihyΒ Β» ny alahady 14 Mey 2023 teo.

Voaresaka nandritra izany ny fandrindrana ny fiainam-pianakavianaβ€š fiarovana tanora tsy ho bevohoka aloha loatraβ€š lafy ratsin’ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra ary ny fiantraikany fihinanana zava-mahadomelona sns.

Tanjona ny fananana TANORA MENDRIKA SALAMA : Tsy manao firaisana ara-nofo aloha loatraβ€š tsy bevohoka na mahabevohoka aloha loatra na tsy hirianaβ€š tsy miondana na andevozin’ireo zava-mahadomelona ny tanora ary manentana ireo namany efa roboka ao anatin’izany mba ho afaka ary ho lasa TANORA MENDRIKA SALAMA araka ny tanjona nofaritana.

Niara-nisalahy tamin’ny hetsika ny #ACCESS_Antsohihy ny ministeran’ny fahasalamana izay nisoloan’ny MΓ©decin inspecteur tena. Nisy ny fizarana β€œCOUPON” afahan’ireo tanora manentana ireo namany any ampianarana sy any amin’ny fokontany ary any amin’ny kaominina manerana Distrika Antsohihy.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment