TAFAKATRA 32 NY ISAN’OLONA MATY AN-DRANOMASINA TAO ANKAZOMBORONA EFA HITA▪️ KAROHINA IREO TOMPON’ANTOKANA TAMIN’NY FITATERANA ANTSOKOSOKO
Razana 11 hafa indray no hita tany an-dranomasina ary nakarina an-tanety androany 14 Martsa 2023 . Tsy marina araka izany ny filazana fa 47 ireo olona nohentin’ny sambo kely nivoaka antsokosoko ‚ nikasa hitondra olona any Mayotte fa mihoatran’io IISA voalaza io raha atao ny kajy amin’ireo tarehimarika na iisan’olona efa hita taloha sy iisan’olona efa avotra araka ny fanazavana.
Namoaka ireto filazana fikarohana ireto ny fitondram-panjakana Malagasy ‚ Zandarimariam-pirenena ao Ambilobe koa entanina izay mahita na manam-baovao momba an’i BEMA Ambroise dit Amboro sy BE Suzette ‚ izay voarohirohy ho mpiray tsikombakomba sy tompon’antoka tamin’iny raharaha iny‚ mba hampandre ny mpitandro filaminana na manampahefana akaiky azy indrindra.
Nanao fanambarana ‚ fanamelohana momba iny trany ihany koa fa indrindra ny trafika ‚ fanondranana olona antsokosoko ny OIM ( Organisation Internationale pour les Migrations ) ary nilaza fa hanampy an’i Madagasikara amin’ny fitadiavam-bahaolana.