SPYDEE : NOHENTIN’IZY MIVADY NATORY SY NIRAY LAMBA FIRAKOFANA AMINY IREO BIBILAVA OMPIANY‼️
Vokatry ny delestazy dia tsy nandeha mihitsy ny “tapis chauffant” an’ireto biby ompian’ireto ka nalaina‚ natao anaty lamba firakofana mba ahazo hafanana. Mila hafanana tahaka ny vatan’olombelona‚ 37.5° koa ireto biby ireto araka ny fanazavana.
Efa ela moa i Spydee niompy bibilava‚ ary mahafinatra azy mivady ny miaina miaraka amin’ny biby ka tsy misy tahotra fa miaina milamina sahala amin’olona mankafy saka ireny koa izy mivady.