a
FandraisanaVaovaom-paritraSOS VANILLE : MIANTSO NY MPISEHATRA ERAN’I MADAGASIKARA ▪️HIVONDRONA SY HANAO HETSIKA

SOS VANILLE : MIANTSO NY MPISEHATRA ERAN’I MADAGASIKARA ▪️HIVONDRONA SY HANAO HETSIKA

SOS VANILLE : MIANTSO NY MPISEHATRA ERAN’I MADAGASIKARA ▪️HIVONDRONA SY HANAO HETSIKA

Mahavita zavatra goavana teto amin’ny firenena raha milamina sy araka ny tokony ho izy ny fitantanana sy fifampifehezana amin’ny seha-pihariana “la vanille” eto Madagasikara ‚ ampahany ireo zavatra vita tamin’ny volan’ny lavanila na tamberim-bidy azo tamin’ny lavanila ny trano vaventy vita ao 67Ha ary ireo lalana rehetra vita tara ( goudron ) ao amin’ny faritra SAVA ‚ hoy Laisoa Jean Pierre dit Jaovato nitafa tamin’ny mpanao gazety androany 22 Martsa 2023 ‚ raha nitaky fanafoanana filankevitra momba ny lavanila ( CNV ) sy hamelana malalaka ny mpisehatra amin’ny fanondranana ary fampiharana ny lalàna velona ‚ 97-046 ny 04 novambra 1997 ho famelana malalaka ny fihariana lavanila.

Tokony hametra-pialana ny minisitry ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara hoy izy ireo fa tsy mahafehy ny asany . Ireto farany moa nanome 72 ny fitondram-panjakana hamahana ny olàna misy ‚ efa tafakatra 6000 rahateo ny mpamboly sy mpanondrana ary mpisehatra amin’ny lavanila nanao sonia ny fitakiana voalaza etsy ambony . Miantso ny mpamboly sy mpanondrana ary mpisehatra amin’ny lavanila manerana an’i Madagasikara ( faritra SAVA – SOFIA – DIANA – ANOSY… ) ny SOS vanille ‚ hivondrona sy hanamafy ny fitakiana mba hisiany vahaolana maharitra.

Namafisin’izy ireo fa tsy misy ambadika politika ny zava-misy ankehitriny fa vahaolana no tadiavin’izy ireo.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment