SONOSE/MADA : HAJAO NY MPAMPIANATRA ‚ MPANABE FA IZY NO NAHA TOY IZAO ANTSIKA▪️TSY MISY FAMPANDROSOANA RAHA TSY MISY FANABEAZANA
Nomarihiny SONOSE/MADA tamin’ny fomba miavaka ny andro iraisam-pirenena hoan’ny mpanabe ‚ ny 05 Oktobra 2022 teo . Nisy ny fikaonan-doha amin’ny fanatsarana ny sehatry ny Fanabeazana sy fampianarana eto Madagasikara.
Ny mpanabe no antoky ny fiandrihanam-pirenena ‚ fampandrosoana ‚ fandriampahalemana…avy aminy no hitoeran’olona manan-kaja sy manamboninahitra ary manampahefana rehetra ka mba hajao izy ary todiho manokana ‚ hoy Croidys dit Ledys, filoha nationalin’ny SONOSE/MADA ( Solidarité des Normaliens en Sciences de l’ Éducation de Madagascar ) ‚ nandefa hafatra tamin’ny olom-pirenena rehetra.
Nankasitraka ny fitondram-panjakana izy ireo amin’ny fanomezana « poste budgétaire » maro indrindra ny ministeran’ny fanabezam-pirenena ary mitaky sy mangataka ny hitsinjovana manokana ireo mpanabe maro tsy mbola tafiditra ho mpiasam-panjakana raikitra ‚ takian’izy ireo ihany koa ny hanaovana lohalarana ireo mpampianatra nahavita fiofanana tamin’ny sampam-piofanana misahana izany ( ENS…) . Ampiakaro ny teti-bola hanatsarana ny Fanabeazana ( poste budgétaire ) afahana mampiditra ihany koa ireo mpampianatra FRAM ‚ nivoaka ENS … ho mpiasam-panjakana raikitra eto Madagasikara fa izany no antoky fampandrosoana maharitra « TSY MISY FAMPANDROSOANA ARA-TOEKARENA ‚ SOSIALY ‚ TSY MISY NY FILAMINANA… RAHA TSY MISY NY FAMPIANARANA NA FANABEAZANA » hoy hatrany izy ireo nanaitra ny fitondram-panjakana ‚ ireo parlemantera hitodika amin’ny Fanabeazana sy fampianarana ny Zaza Malagasy.