a
FandraisanaVaovaom-paritraSOLDAT : TOVOLAHY TAMPOHANY LASA ZANDARY KA MANARARAOTRA VEHIVAVY⁉️

SOLDAT : TOVOLAHY TAMPOHANY LASA ZANDARY KA MANARARAOTRA VEHIVAVY⁉️

SOLDAT : TOVOLAHY TAMPOHANY LASA ZANDARY KA MANARARAOTRA VEHIVAVY⁉️

Izany ka hoe misekoseko araka ny fomba fitenin’ny tanora. Tovolahy iray vao nivoaka ho zandary no manapatra fahefana sy mandrahona ary milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy. Nolazainy fa tsy ampahafirin’ny efa nopotehany ity tovovavy tsy nanaiky nokôtiany ity. Milaza tsy matahotra na iza na iza, ary tsy matahotra Kolonely i Joachim kely.

Zavatra tahaka izao no manimba endrika ny mpitandro filaminana fa indrindra ny Zandarimariam-pirenena ka tokony andraisana fepetra mba tsy ho lasa fahazarana.

Misy ireo Zandary tena miasa sy mahafoy ny ainy ho an’ny Tanindrazana fa ity kosa manao sonjo iray lohasaha‚ ary sahy milaza fa tsy hanavotra ny firenena fa ny hihinambolam-panjakana isakin’ny 18 no mahamay azy sy nidirany ho zandary.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment