a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaSOJABE MANAMPITY ARMAND : NAMETRAKA HAFATRA MAFONJA TAMIN’IREO ZANANY‼️

SOJABE MANAMPITY ARMAND : NAMETRAKA HAFATRA MAFONJA TAMIN’IREO ZANANY‼️

SOJABE MANAMPITY ARMAND : NAMETRAKA HAFATRA MAFONJA TAMIN’IREO ZANANY‼️

Miavaka i papa raha tamin’ny fiarahamonina nisy azy ‚ tsy mbola nahita izy sy mamanay niady sy nifamaly izahay hatrizay ka hatramin’izao fotoana nialany teto ambonin’ny tany izao . Tsy nianatra tany ampianarana i papa fa nanetritena nijanona nanampy dadilahinay ( dadabenay ) satria taloha rehefa mianatra ny mpiraitampo dia tsy maintsy misy mijanona manampy Ray aman-dReny ny sasany ka nijanona i papa namboly . Na dia tsy nianatra tany ampianarana aza izy dia nampiana-tena ‚ miavaka izy amin’ny fahiratan-tsainy sy fandraisany andraikitra eo amin’ny fiarahamonina ‚ pofon’izany nahavoafidy azy lefitry fivondronam-pokontany tao amin’ny Ditrikan’i Mandritsara sy nahavoafidy azy ho Ben’ny tanàna nandritra ny fotoana naharitra ‚ izy no mpandrindra sy mpandamina ny fiarahamonina raha sendra mikorontana na misy ady ‚ mipetraka tsara ilay hoe « Tany misy olo gieda ‚ tsy miady gamadiniky » ‚ hoy Todivelo Cyrille ‚ zanany.

Hafatra napetraka papa tsy maty ao am-ponay dia « aza adino ny 3F ( Fitiavam-bady ‚ Fitiavan-janaka ‚ Fitiavagna fiarahamonina ) io no averim-beriny rehefa misy olona mamangy anay . Nanoratra boky maro izy fa mbola hoentina sy ampahafantarina atsika . Efa nisy fotoana izy torana tokony tamin’ny 04 Ora tolakandro ary tsy nifoha raha tsy tamin’ny 08 Ora alina ka tamin’izany no nilazany fa vohantso nandamina ady tany ankoatra izy ary niverina rehefa nilamina ny tany ‚ saika tsy naverina izy tamin’izany fa ny dadilahiny izay razany nanafatra azy no tsy nanaiky satria tsy mbola tonga ny fotoana ‚ hoy Boniface zanany nanampy fanazavana momba an’ny SOJABE MANAMPITY ARMAND.

Nandalo teto Antsohihy ‚ renivohitry ny faritra Sofia ny nofo mangatsikan-dRatompokolahy androany ary nohentina any Mandritsara izay misy ny fasan-drazany . Araka ny hafatra napetrany dia ao Mandritsara izy no asitrika mandrapaha hirarahany ny nofony ary hoentina any Andohajango kosa izy ny taolany hanatona ireo Razambeny . Miisa 08 mianadahy izy mpiraitampo ‚ miisa 09 kosa ny zanany . Manana laharamboninahitra “Grand officier de l’ordre National” ‚ efa tokony nahazo « Grand Croix » izy saingy izao nidaosim-pahafatesana izao . Mirary azy handry ampiadanana 🙏

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment