SOJABE : ILAY OLOBE TO-TENY ‚ MANANA HASINA AMIN’NY FOKO TSIMIHETY
Betsaka ireo mbola tsy mahalala ny atao hoe Sojabe : Ny SOJABE dia olona mipoitra avy eo anivon’ny fiarahamonina ‚ olona tsotra to-teny ‚ omen-kaja sy hasina eo anivon’ny fiarahamonina ‚ izy no mandrindra sy mandamina raha misy disadisa ao anaty fiarahamonina ‚ izany hoe «TANY MISY SOJABE ‚ TSY MIADY GAMADINIKY».
Tsy mirona amin’ny firehan-kevitra politika ny SOJABE ‚ ary tsy izay olona rehetra nahazo taona sy efa misotro ronono ihany koa . Matetika teho SOJABE avokoa ireo mpiasam-panjakana misotro ronono ka mitady toerana ara-politika sy mila ranondranony araka ny fitenin’ny tanora azy fa aoka tsy ho voafitaka sy ho diso hevitra amin’ireo izay mety ho sarin-tsariny SOJABE kanefa mirona amin’ny zavatra hafa izay mety hanakorontana ny fiarahamonina ‚ ireo izay antsoina hoe DINOZORO POLITIKA na GOAIK’ANTITRA ARA-POLITIKA.
Fehiny ‚ tsy mitovy ny SOJABE sy DINOZORO POLITIKA na GOAIK’ANTITRA ARA-POLITIKA fa afaka mifanampy kosa raha misy tombontsoam-bahoaka iraisana ‚ takiana . Toy izao amin’ny sary izao no fitafin’ireo SOJABE izay mitovy hasina amin’ny Ampanjaka any amin’ny faritra hafa . Misy dikany iny tehina ( kobay ) eny an-tànany iny.
FAHENDRENA – HAFATRA NAVELAN’NY RAZAMBE ARY FEON’NY FIERITRERETANA NO MIBAIKO AZY FA TSY SEZY