SOERES : ADIDY VITA ‚ FAHAFINARETANA AZO
Tao Arivonimano no nanatanterahan’ireo tanora zanaky ny faritra Sofia mandranto fianarana ao Antananarivo ‚ mivondrona ao amin’ny SOERES ( Solidarité des Étudiants de la Région Sofia ) ‚ ny fambolen-kazo niraisana omaly 04 Martsa 2023.
Fandraisana anjara amin’ny fandrakofana ala maitso an’i Madagasikara sady hetsika mitarika amin’ny fisorohana sy ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro no antony hetsika ka zana-kazo 1000 fototra no voavoly.
Nitarika ireto tanora mpianatra ireto ny filohan’ny SOERES ‚ Jaochim Raherimandimby.