a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaSKOTO FLM : NIARA-NIFALY HO FIATREHANA NY TAOM-BAOVAO 2023‼️

SKOTO FLM : NIARA-NIFALY HO FIATREHANA NY TAOM-BAOVAO 2023‼️

SKOTO FLM : NIARA-NIFALY HO FIATREHANA NY TAOM-BAOVAO 2023‼️

Sehatra iray afahana mitaiza ireo ankizy sy ireo tanora mba ho lasa olom-banona sy tompon’andraikitra ary mandray andraikitra eo amin’ny fiarahamonina misy azy ny skoto.

Vaovao ny taona ‚ vaovao ny fomba fiasa ary hisy zava-baovao ho fanatsarana ny fikambanana ‚ hoy ny Filohan’ny Skoto FLM Antsohihy ‚ nanazava fa hisy ny fitsidiham-paritra atao any Mandritsara sy any Mahajanga ary ireo hetsika marolafy hanentanana ny tanora ho tompon’andraikitra.

Tao amin’ny Hôtel de France Antsohihy no niara-nifety ho fifampiarabana tratry ny taona 2023 ‚ omaly sabotsy 25 Martsa ireo Skoto . Tazana nanontrona ny lanonana ny Pasitera Davida avy ao amin’ny fiangonana FLM sy ireo solotena avy amin’ny FSA ( Firaisan’ny Skotisma Antsohihy ) ary ireo Ray aman-dReny mpiahy sady mpitarika tanora ao amin’ny fiangonana FLM.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment