a
FandraisanaPolitikaSITENY RANDRIANASOLONIAIKO : MATIN’NY JALY NY VAHOAKA NOHO NY TSY FAHAIZA-MITANTAN’NY MPITONDRA▪️AVERENO IFOTONY NY FITANTANANA NY SEHATRY NY LAVANILA‼️

SITENY RANDRIANASOLONIAIKO : MATIN’NY JALY NY VAHOAKA NOHO NY TSY FAHAIZA-MITANTAN’NY MPITONDRA▪️AVERENO IFOTONY NY FITANTANANA NY SEHATRY NY LAVANILA‼️

SITENY RANDRIANASOLONIAIKO : MATIN’NY JALY NY VAHOAKA NOHO NY TSY FAHAIZA-MITANTAN’NY MPITONDRA▪️AVERENO IFOTONY NY FITANTANANA NY SEHATRY NY LAVANILA‼️

Hentitra ny fanambarana nataony SITENY Randrianasoloniaiko tao Sambava androany 11 April 2023 nandritra ny hetsika MIHAVA TOUR.
– Matin’ny jaly ‚ sahirana ny vahoaka Malagasy noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ankehitriny.
– Inona no ilàna ny CNV any Antananarivo ? Inona ny olàny mpitondra tsy hanomezana fahalalahana ny mpanondrana lavanila ? Avereno ifotony ny fitantanana ny seha-pihariana lavanila fa izany no ilainy vahoaka.
– Misy olona 77 nahazo “ agrément ” kanefa 30 amin’ireo tsy fantatra hoe iza sady tsy mpikirakira momba ny lavanila mihitsy fa nomena mba hanofa ( agrément ) izy ireo ‚ tsy kolikoly ve izany ? Avereno amin’ny olona teraka sy tombo ary misehatra amin’ny lavanila ny fitantanana sy ny fanomezan-dalana fa aza potehinareo ny seham-pihariana lavanila !
– Amafisinay ny sonia efa nataon’ireo olom-boafidy maro ( ben’ny tanàna ‚ Solombavambahoaka ‚ senatera ) ary vahoaka maro izay mitaky ny fanalàlahana ny seha-pihariana lavanila.
Ireo no ampahany tamin’ny fanambarana nataony SITENY Randrianasoloniaiko androany tao Sambava.

Nohamafiny fa tsy misy idiran’ilay mpandraharaha fanta-daza amin’ny famatsiana olona izay ho kandida ho Filoham-pirenena eto Madagasikara ny hetsika MIHAVA TOUR ary tsy misy volan’io mpandraharaha io tafiditra amin’io hetsika io . Maro ny milaza anay fa mbola loranjy ( volomboasary ) ka ambaranay fantam-poko fantam-pirenena eto androany fa i Siteny Randrianasoloniaiko sy ireo Solombavambahoaka miaraka aminy dia jaune mahafinatra ‚ hoy izy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment