SISI-TANY SY HABAKABAKY MADAGASIKARA : ANJAKANY TRAFIKA MALOTO▪️ MIVOAKA ANTSOKOSOKO AVOKOA IZAY TSARA REHETRA
Gaboraraka sy goragora no azo hilazana ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny . Rehefa tsy volamena ‚ bolongam-bolamena dia bolongany safira na trondro ary olona mihitsy aza misy manondrana an-tsokosoko‚ hoy ny olom-pirenena maneho ny heviny.
Tsy misy tohiny mazava momba ireo harem-pirenena mivoaka antsokosoko fa toy ny mahazatra « mandeha ny fanadihadiana » . Taoriany faharendrehany sambo nitondra olona antsokosoko any Mayotte ‚ namoizana ain’olona maro herinandro lasa izay dia nahitana sambo kely haingam-pandeha nikasa hitondra trondro 02 taonina sy solika 840 litatra tao Dzamandzar, Dar es Salaam, Nosy Be ny 17 Martsa 2023 . Sambo kely ahitana milina 03 izay 40CV isany avy no saika hitondra ireto trondro ireto.
Ankoatrizay ‚ sarona tao Ambaripotaka Ambanja ihany koa toaka 110 gony nokasaina alefa antsokosoko any Mayotte . Lehilahy teratany Malagasy iray sy Mahorais roalahy no voasambotra ‚ ireto farany moa nilaza ho mpanjono avy any Mohéli saingy nisy olàna ny sambo nohentiny ka nasesin’ny onja teo amin’ny toerana voalaza . Tsy manana taratasy izy ireo araka ny fanazavana ‚ mandeha ny fanadihadiana.