a
FandraisanaVaovaom-paritraSENDIKAN’NY MPAMILY MATIHANINA ETO MADAGASIKARA : MITOKANA

SENDIKAN’NY MPAMILY MATIHANINA ETO MADAGASIKARA : MITOKANA

SENDIKAN’NY MPAMILY MATIHANINA ETO MADAGASIKARA : MITOKANA

 Miantso firaisankinan’ny mpampiasa lalana rehetra eto Madagasikara ny filohan’ny sendikan’ny kamionera . Araka ny efa nambarany nandritran’ny antso fitarainana nataony herinandro vitsivitsy lasa izay dia hiroso amin’ny fitokonana izy ireo raha tsy misy vahaolana matotra aroson’ny fitondram-panjakana . Tanteraka izany androany 15 janoary 2023 izany ary tsy misy miasa.

 Mitaky ny hanamboarana ireo lalam-pirenena potika sy simba ( RN2, 4, 6, 13, 7, 34… ) izy ireo . “ Miantso ny firaisankin’ny mpampiasa lalana rehetra izahay kamionera ” hoy Rakotoarisoa Joelson Gabriel, filohan’ny sendikan’ny mpamily matihanina eto Madagasikara (SCPM).

Marihina fa andro vitsy lasa izay no nanao fanambarana ny hanamboarana ny lalam-pirenena faha-02 ‚ faha-06 sns ny fitondram-panjakana saingy mbola mamerina tolo-bidy aloha ary amin’ny 15 febroary izao no hiroso amin’ny asa isika‚hoy ny minisitry ny Asa Vaventy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment