SARAH SOUPLESSE : NIAKA-TSEHATRA NANEHO NY TALENTANY TAO AMIN’NY SUPER TAUREAU ANTSOHIHY ‼️
Izany ka talenta ary tsy fahita matetika ankoatrany amin’ny fahitalavitra ary vazaha no matetika hita maneho talenta tahaka izao ataon’i Sarah izao ‚ hoy ireo nanatrika ny hetsika nokarakarain’ny PAJ SOFIA ( PLATEFORME DES ASSOCIATIONS DES JEUNES SOFIA ) ny 01 April 2023 teo tao amin’ny Super Taureau Antsohihy.
Izy no SARAH na Sarah Souplesse avy ao Mampikony – Faritra Sofia . TSARASOA Sarah no tena anarany ‚ 16 taona izy ankehitriny ‚ mbola mianatra ‚ kilasy famaranana ao Mampikony ihany.
Manan-talenta miavaka izy amin’ireo tanora mipetraka ao Mampikony ‚ araka ny ahitantsika azy amin’ireto sary vitsivitsy nanehoany talenta ny sabotsy lasa teo.
Nanomboka 14 taona izy nanomboka nitrandraka izao talentany ( souplesse ) izao ary nivoatra arakaraka ny ezaka izay ataony . Tsy nisy nampianatra io hoy izy fa fitiavana no nibaiko ny fo sy ny saina dia nizotra ary mandeha hoazy izay atao rehetra.