SAMIELY IHA KA MARARY : VOADAROKA TAO AMBOHIPO
Omaly tolakandro no niala tao amin’ny tranon’olona nitaiza sy nampian-trano azy tao Antananarivo i Samiely iha ka marary ‚ tsy nisy nahalala izay ho alehany ireo olona tao an-trano ‚ izy rahateo tsy nilaza fa niala degany . Ny alin’io ihany no voadarok’olona tao Ampohipo ‚ Antananarivo i Samiely ka naratra ‚ narokoroko ny tarehiny sady nihendakendaka ‚ tsy fantatra ny olona nidaroka azy fa izy efa mamo tampina no hitanay teo ‚ hoy ireo olona nahita azy naratra sady mamo . Ankoatran’ny fisotroan-toaka ‚ voalaza ho mifoka rongony ‚ zava-mahadomelona ihany koa i Samiely hany ka zara ho manao manao fahatany.
Velontaraina araka izany ireo olona nandray sy nampian-trano azy tao Antananarivo ary nanapa-kevitra ‚ tsy ho tompon’andraikitra aminy sy zavatra mahazo azy intsony noho izy niala degany tao an-trano sy tsy fanajana efa mateti-pitranga . Ny mpanakanto Big MJ ihany koa efa vaky vava amin’ny afitsik‘ity tovolahy ity.