a
FandraisanaVaovaom-paritraSAMBAVA : TANY TSY MISY FANJAKANA‚ ANJAKANY DIDIN’NY BESANDRY⁉️

SAMBAVA : TANY TSY MISY FANJAKANA‚ ANJAKANY DIDIN’NY BESANDRY⁉️

SAMBAVA : TANY TSY MISY FANJAKANA‚ ANJAKANY DIDIN’NY BESANDRY⁉️

Miisa telo ireo olona nijoro vavolombelona fa voadaroka POLISY avy amin’ny FIP ( FORCE D’INTERVENTION POLICIERS) Sambava ny farany herinandro teo. Mpiasan’ny fahasalamana iray‚ Sivily tompon’ny toeram-pisotroana ny iray hafa ary sivily mivezivezy an-tànana ny iray hafa fahatelo.

Naka zava-pisotro mahamamo tao amin’ny BAR iray ao Sambava ireto Polisy ireto ary nanakorontana rehefa mamo. Novelesin’izy ireo tavoangy ny tompon’ny BAR aveo nohentiny tany amin’ny Biraony sady nodarohiny mafy ka feno ratra ny vatan’ilay tovolahy namonjy toeram-pitsaboana.

Tovolahy iray hafa indray nitondra moto nandolo teo akaikin’izy ireo mivorivory‚ nangata-dalana sy nandefa klaksonina fa tsy nisy niala teo an-dalana ireo polisy ka nijotso nametraka moto ilay tovolahy. Iny no ela‚ nirarakompana ny daroka sy tambabe voalaza fa nataon’ireo polisy‚ naratra mafy ilay tovolahy kely sady vaky loha‚ simba ny finday sy moto nohentiny ary manaraka fitsaboana izy ankehitriny.

Ankoatrizay‚ mpiasan’ny fahasalamana nandeha hamonjy polisy‚ hitondra fitarainana nametraka moto amin’ny Parking no noraisin’ireo Polisy tamin’ny ankanjony‚ nopetahiny rojo vy aveo nodarohiny mafy ka naratra ary mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao. Polisy manao fanamiana ny sasany sady mamo‚ hoy ny fanazavana nataon’ireo lasibatra.

TSY VAO SAMBANY FA EFA MATETIKA ATAON’IREO POLISY NY HABIBIANA TAHAKA IZAO‚ hoy ny vahoaka velontaraina sy manao antso fandraisana andraikitra hentitra sy haingana fa manano tany tsy misy lalàna sy fanjakana ireo Polisy ao amin’ny FIP sasany ka manala-baraka ny ministeran’ny filaminam-bahoaka‚ eny manimba endrika ny fitondram-panjakana mihitsy raha izao zava-misy izao. Andrasana ny fanazavana ataon’ny tompon’andraikitra.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment