a
FandraisanaVaovaom-paritraSAMBAVA : TALEN’NY EPP HITA FATY TAO AMBALAHARONGANA‚ NAMETRAKA HAFATRA AN-TARATASY HOAN’NY VADY ANDEFOMANDRINY ‼️

SAMBAVA : TALEN’NY EPP HITA FATY TAO AMBALAHARONGANA‚ NAMETRAKA HAFATRA AN-TARATASY HOAN’NY VADY ANDEFOMANDRINY ‼️

SAMBAVA : TALEN’NY EPP HITA FATY TAO AMBALAHARONGANA‚ NAMETRAKA HAFATRA AN-TARATASY HOAN’NY VADY ANDEFOMANDRINY ‼️

Ny alatsinainy 12 Jona 2023, sahabo tamin’ny 4 ora tolakandro teo no hita faty, nidaboka teo am-pototry ny hazo iray, tao Ambalaharongana Bevonotra, any Sambava, ny talen’ny EPP ao an-toerana. Nisy tady “nylon” mifatotra miodidina ny tendany. Mifatotra eo amin’ny rantsan’ilay hazo eo ambony, ary mbola misy 4 metatra ny ambin’ilay tady.

Nahitana taratasy tao anaty “sachet”, teo akaikin’ity mpanabe ity ary voalaza fa azy io soratra io. Ny fizahan’ny mpitsabo sy ny zandary rahateo nilaza fa namono tena izy.
Toy izao ilay taratasy :
“Ambalaharongana le
Ho an’ny Olive Vadiko
Tena tiako ny miara-miaina aminareo mianaka, fa tsy ho tantiko ny mahita anareo ho fadiranovana miaraka amiko. Raha nandinika lalina momba ny fiainako zaho dia efa sarotra amiko ny hiharina raha manoloana izao toe-javatra izao.
Ny vola tsy misy, vary tsy ampy, ny tsy fahasalamana mamely, sns.
Efa fantako ny fahoriana mahazo anareo mianaka nefa isaky ny mieritreritra ny zavatra manjo aho io zaho dia efa tsy mahita vahaolana eky izaho ka voatery nisafidy izao lalan-dratsy izao.
Mahereza, tohizo ny vavaka. Raha mety mba angataha vavaka izaho.
Maro ny zavatra tiana ho lazaina nefa efa maika.
Veloma hoy papan’I Binot
Mirary fahasalamana @ Binot kely ary aminao”.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment