ROMOTRA ARY NANAO SAKAN-DALANA NY VAHAOKA
Raha ny faniriany mpandraharaha dia 10 000 Ar ‚ 20 000Ar no hivarotany tantsaha ny lavanio maintso iray kilao ‚ raha nofaritany fitondram-panjakana ho 75 000Ar izany . Nitambatra ireo mpividy lavanio ary nidongy tsy hividy raha tsy latsaka io vidiny napetraky ny fitondram-panjakana io ? Nihizingizina manoloana izany koa ireo tantsaha ary tsy nanaiky ny hanome ny lavaniony amin’ny vidiny mamosavy izany.
Tezitra ary romotra ny vahoaka tao Manakana ( lonkoho ) ka nanao sakan-dalana maro teny amin’ny arabe omaly 14 Jolay 2022 . Voatery nanao « transbordement » isaky ny mihetsika ny mpandeha ary tsy afaka nivezivezy ny fiara.
Nidina ifotony avy hatrany ny Solombavambahoaka voafidy tao Sambava ‚ hanampy vahoaka ary hiaraka hitady vahaolana ‚ « Tsy hiala eto aho raha tsy efa tonga ny mpividy lavanio amin’ny vidiny 75 000Ar ‚ hatory eto amin’ny arabe aho fa tsy an-trano na anaty fiara ‚ mandrapaha hisiany vahaolana ‚ omeko anareo ny fanalahidiny fiarako » hoy ny Depiote Jack raha nitafa tamin’ny vahoaka omaly ‚ ity farany moa niangavy mafy amin’ny hanesorana ireo sakan-dalana.